Manaitsy Zay Avao Grey

Manaitsy Zay Avao Grey FILOHAN’NY FITIAVAGNA

MBO MIVILY VY AVAO

16/01/2026

24/12/2025

7 ANDRO TAVELA

🛑LASA OLO-MALAZA I KOLONELY  ...FA IZA MARINA MOA IZY E ?KOLONELY FANAMPERA RODNEY REHOSYIza moa ny Kolonely Fanampera?🛑...
27/03/2025

🛑LASA OLO-MALAZA I KOLONELY ...FA IZA MARINA MOA IZY E ?

KOLONELY FANAMPERA RODNEY REHOSY
Iza moa ny Kolonely Fanampera?

🛑Ny Kolonely FANAMPERA Rodney Rehosy dit NAMPITSE dia “PATRIOTE”, “NATIONALISTE” ary “REVOLUTIONNAIRE” Masikoro, teraka tamin’ny 01 Janoary 1952 tao AMPASIKIBO (Kaomina Agnalamisampy, Toliara II), zanaky NAHOHATSE Rehosy (MANDREBAKE) sy NAMAHE.
OLONA MAHITSY, TSY AZO VIDIM-BOLA na ANAOVANA KOLIKOLY (INKOLIKOLIABLE) na “INCORRUPTIBLE” ny Kolonely FANAMPERA ; tia miaro ny madinika, ary sarotiny dia sarotiny amin’ny fiarovana ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamarinana.

🛑Noho izay toe-tsaina sy toe-panahy ananany izay no matetika manahirana an’ireo olona zatra mpanao hitsin-dalan-dririnina miara-miasa aminy.
Nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny ady amin’ny asan-dahalo sy ny tsy Fandriampahalemana, ary TSY AZO KOSEHINA AMIN’NY TANTARAN’I MADAGASIKARA NY ZAVA-BITANY.

🛑Anisany nandray anjara mavitrika tamin’ny fandrafetana ny DINABE taty amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana. Ary MBOLA VONONA NY HANOHY NY ADY AMIN’NY FANAFOANANA NY ASAN-DAHALO eto Madagasikara.
Ireo Toerana na Faritra izay nandalovany sy niasany teto Madagasikara dia nandry fahalemana sy nahitana fihenan’ny asan-dahalo avokoa :

- Manja, Morombe ary Morondava teo anelanelan’ny taona 1988-1991
- Toliara teo anelanelan’ny taona 1996-1997
- Faritra Atsimo-Andrefana tamin’ny taona 2009 : nahatratara 325 ny isan’ny halatr’omby talohan'ny nandraisany ny andraikiny ny taona 2009, ary nidina hatrany amin’ny 124 sahady ny taona 2010.

🛑Efa niharan’ny tsy rariny fony izy mbola Mpampianatra sy Talen-tsekoly tao MOROMBE raha nandeha “Taxi-brousse” Toliara-Morombe. Efa nanao famandrian-toerana tao amin’ny “devant” herin’andro mialoha. Kanefa nafindran’ilay mpamily tany aoriana rehefa tonga tao Befandriana-Sud, noho ny fangatahana sy fanerena nataon’ny Zandary roalahy 2ème classe sy Stagiaire, izay ho any Morombe, ny hipetraka tao amin’ny “devant” nisy azy. Tezitra sady menatra ary nalahelo ny lehilahy tamin’izay ka nanapa-kevitra ny handao ny tontolon’ny Fampianarana ary tafiditra ho Mpianatra Manamboninahitra tao amin’ny SEKOLY AKADEMIA MIARAMILA ANTSIRABE.
REHAREHAN’I TOLIARA SY NY FOKO MASIKORO.

MIJORO, MIARO ary MITSANGANA HATRANY rehefa misy ny TSY RARINY na ny raharaha mahakasika sy mahavoantohitohina ny FOKO MASIKORO.
Fiofanana vitany taorian’ny Fampianarana :
- Nianatra tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe ny taona 1977-1979 ;
- Nianatra tao amin’ny Institut d’Etudes Judiciaires tao Antananarivo ny taona 1979-1981 ;
- Niofana tao amin’ny Sekoly Ambonin’ny Zandarimaria tao Moramanga ny taoana 1981-1982 ;
- Nandalina ny momba ny Police Judiciaire et Commandement tao La Reunion ny taoana 1988 ;
- Nanao fiofanana manokana momba ny « Anti-terrorisme et Guérilla » tany Etazonia (Texas, Californie, New Mexico) tamin’ny taona 1999 ;
- Nanohy sy nanamafy ny fiofanana momba ny « Anti-terrorisme et Guérilla » tany Malaisie (Kuala Lumpur) ny taoana 2001.
Andraikitra nosahaniny tao amin’ny Foloalindahy sy ny Zandarimaria :
- 1982-1983 : 2e Adjoint du Commandant de Groupement tao Toamasina ;
- 1983-1985 : Commandant de Compagnie tao Toamasina (izy no nanokatra azy) ;
- 1985-1987 : Instructeur de Police Judiciaire tao amin’ny Sekoly Zandarimaria Ambositra ;
- 1987-1989 : Commandant de Compagnie tao Manja ;
- 1989-1991 : Commandant de Groupement tao Morondava ;
- 1991-1993 : Chef de Service Emploi tao amin’ny GI/Fort-Duchesne tao Antananarivo ;
- 1993-1995 : Adjoint du Commandant du GAB (Groupement Aéro-porté et Blindés) tao Fort-Duchesne Antananarivo ;
- 1996-1997 : Commandant de Groupement teto Toliara ;
- 1998-2000 : Chef de Service Emploi à la CIRGN Tsianaloka Toliara ;
- 2000-2002 : Adjoint du Commandant de la CIRGN Tsianaloka Toliara ;
- 2002…… : Commandant de la CIRGN Tsianaloka Toliara.

Efa nanoratra boky mahakasika ny paik’ady hiadiana amin’ny asan-dahalo sy ny tsy Fandriampahalemana eto Madagasikara : « Ny Fanilon’ny Fandriampahalemana na ny Lalànan’i Fa.Ro.Re ».

« TAHIO GN’ANTEGNA FA GN'ANOLO TSY HOMEANY »

Address

32st
Dubai

Telephone

+971527782322

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Manaitsy Zay Avao Grey posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category