L'atelier de ziona

L'atelier de ziona Ouvrage métallique sur mesure 😎
Raha vao resaka vy hoa dia kapoaka-nay πŸ”₯
☎️ 034 03 172 61 ( whatsapp)

25/04/2026

Tuto express: porte-cintre vita ao anatin’ny minitra vitsy πŸ˜…. Mora kokoa noho ny puzzle, ary tsy mila β€˜mode d’emploi’ lava be 😊.
β€’
β€’
β€’
πŸ“ŒSur commande hatrany 😊

23/04/2026

TUTO MONTAGE DOUBLE PORTE CINTRE avec Datou 😎 ( tsy misy hoe nenitoa manao voix off 😝)

❌Akanjo miparitaka etsy sy eroa?
πŸ‘‰ Porte-cintre dia manampy hanana toerana voalamina sy madio.

❌Kiraro miparitaka eny rehetra eny ?
πŸ‘‰ Ny Γ©tagΓ¨res intΓ©grΓ©es dia manome toerana manokana ho an’ny kiraronao.

❌Toerana tery ao an-trano ?
πŸ‘‰ Portable sy dΓ©montable, azo afindrafindra amin’ny toerana rehetra, tsy mibahana toerana.

❌ Mila technique manokana ve @ montage?
πŸ‘‰ Tsia, Montage express, mora apetraka tsy mila mandavaka rindrina.
Araho hatramin’ny farany ity vidΓ©o ity fa sarotra ny montagen’ity double porte cintre ity.

Raha toa ka liana ianao dia alefaso ao @ mp ny refy izay tadiavinao dia hanampy anao izahay πŸ˜‰

πŸ“ŒSur mesure, sur commande 😎

πŸ“ž034 16 984 75 - 032 67 630 77

Ry client, ho atao anie ny sitraponao… ato amin’ny mp ka hatrany amin’ny atelier, eny  hatramin’ny livraison 😌 Mahafinar...
22/04/2026

Ry client, ho atao anie ny sitraponao… ato amin’ny mp ka hatrany amin’ny atelier, eny hatramin’ny livraison 😌

Mahafinaritra ny mahita client mahazo ny zavatra tiany, ary izahay kosa mahavita manome vokatra araka ny sitrapony 😊.

πŸ“Œ Raha manana idΓ©e ianao, dia alefaso ny refy sy ny filΓ nao. Izahay no manamboatra azy araka izay mety aminao πŸ˜‰

πŸ”₯ Votre idΓ©e, notre acier ‼️

20/04/2026

Cliente manontany fotsiny πŸ˜Œβ€¦

Tamin’ny 28 mars ity Madame ity nanontany fanahazan-damba tato aminay. Naka ny information rehetra nilainy izy ( refy, dΓ©lai de production, prix…)
Androany 20 Avril izy niverina nanoratra taminay hanao commande amin’izay πŸ₯Ή.

Be dia be ny olona manontany fotsiny aloha, manangona vaovao, dia rehefa fin du mois na rehefa vonona dia tonga manao commande πŸ™‚.

Mahafinaritra ery ny mahita tahak’izao πŸ˜‰. La semaine commence bien πŸ˜›β€¦

Raha kamokamo ianao amin’izao alatsinainy izao dia vakio ny Ohabolana 18 : 9 😌. Hiova toy ny tsy teo ny fahakamoanao 😝Mi...
20/04/2026

Raha kamokamo ianao amin’izao alatsinainy izao dia vakio ny Ohabolana 18 : 9 😌. Hiova toy ny tsy teo ny fahakamoanao 😝

Mirary herinandro tsara daholo πŸ˜ŠπŸ™πŸ» dia mazotoa miasa πŸ˜‰

Commande en cours …. Raha ianareo dia lokoina blanc sa noir sa dorΓ© ? 😊
17/04/2026

Commande en cours ….

Raha ianareo dia lokoina blanc sa noir sa doré ? 😊

⚠️ 𝐓𝐨𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲 πŸ“ 𝐫𝐚𝐑𝐚 𝐦𝐒𝐬𝐚𝐟𝐒𝐝𝐲 πšπ§β€™π’π­π² 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐑𝐚𝐳𝐚𝐧-ππšπ¦π›πš 𝐒𝐭𝐲 𝐒𝐚𝐧𝐚𝐨 ! 1- Tsy mila mandavaka rindrina : Azo apetraka avy hatrany,...
17/04/2026

⚠️ 𝐓𝐨𝐦𝐛𝐨𝐧𝐲 πŸ“ 𝐫𝐚𝐑𝐚 𝐦𝐒𝐬𝐚𝐟𝐒𝐝𝐲 πšπ§β€™π’π­π² 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐑𝐚𝐳𝐚𝐧-ππšπ¦π›πš 𝐒𝐭𝐲 𝐒𝐚𝐧𝐚𝐨 !

1- Tsy mila mandavaka rindrina :
Azo apetraka avy hatrany, tsy misy asa fanamboarana na fitaovana manokana.

2- Afaka atositosika raha tiana afindrafindra toerana :
Portable sy pratique, mora afindra amin’ny toerana rehetra ao an-trano na eny ivelany.

3- Mahazaka hamandoana sy masoandro tsara ny vy :
Vita amin’ny vy mateza sy voaaro, tsy mora harafesina na simba amin’ny toetr’andro.

4- DΓ©montable raha tiana ampirimina :
Raha tsy ampiasaina dia azo esorina sy ampirimina mora, tsy mandany toerana.

5- Mahazaka lamba maro + bodofotsy :
Refy lehibe sy tanjaka avo, afaka mitondra lamba maro sy entana mavesatra.

Investissement indray mandeha ity, vokatra maharitra sy azo antoka mandritra ny taona maro.

πŸ’‘ Izany no mahatonga ny Γ©tendoir vita amin’ny vy eto amin’ny atelier ho safidy tsara indrindra: mateza, pratique, ary manome fahatokisana.

πŸ‘‰ Alefaso ny refy sy ny filΓ nao, dia izahay no manamboatra azy araka izay mety aminao.

☎️ 034 16 984 75 - 032 67 630 77

Votre idΓ©e, notre acier πŸ”₯😎

16/04/2026

COULISSE VIDΓ‰O πŸ“Ή Ahoana rehefa tsy asiana filtre ny feo ao anaty vidΓ©o ? 😝

Tahak’izao ny tena fandehany amin’ireny vidΓ©o ireny, madama no maka sary sy miteniteny dia ramose alaina sary 🀣.

Iza koa ianareo mivady no miara-miasa ? Tantarao anay hoe manao ahoana ? 😁

Tantaraiko anao fa nisy fotoana aho tena kivy tanteraka πŸ’”Tamin'ny 2020, tsy ny asa fotsiny no nijanona noho ny Coronavir...
15/04/2026

Tantaraiko anao fa nisy fotoana aho tena kivy tanteraka πŸ’”

Tamin'ny 2020, tsy ny asa fotsiny no nijanona noho ny Coronavirus, fa tapitra hatramin'ny fofon'ain'ilay mpiara miasa amiko tato amin'ny atelier πŸ˜₯. Tao anatin'izay aizina izay no nipetraka ny fanontaniana hoe : ahoana re ny hanarenana an'ity atelier ity? 😩

Sary tamin'ny 2018 ity hitanao ity. Tamin'izany fotoana izany, mpanao PORTE BAGAGE no tena nahafantaran'ny olona anay teto Ambodivona. Niara-niosona tao amin'ny atelier izahay roa lahy, nifampizara ny hatsembohana sy ny nofinofy. Nefa rehefa nindaosin'ny fahafatesana ny namako tamin'ny 2020, ohatran'ny niara-maty taminy koa ny atelier. Tsy nisy asa nandeha intsony, ny Coronavirus nanidy ny varavarana... Toa rava ny zavatra rehetra natsangana.

Hisaorana an'Andriamanitra anefa fa tsy namela ahy ho irery Izy. Teo no nahitako mpiara-miasa vaovao ho solon'ilay lasa. Na dia efa nisy mpiara-miasa aza anefa, dia mbola mavesatra ny sedra 😣: nandritra ny volana maro dia mbola tena maina ny asa. Tao anatin’izany no nanapa-kevitra aho fa tsy hionona amin'ny porte-bagage fotsiny intsony, fa hifehy ny asa vy rehetra.

Nanomboka nampahafantatra tamin'ny namana izahay aloha ny asa afaka ataonay.Rehefa nandeha ny pub tamin'ny compte personnel, dia nanapa-kevitra indray hanokatra ity Page : L'atelier de ziona ity tamin'ny AoΓ»t 2024. Teo vao tena nisy fiovana be : niha maro ny olona liana ary amin'izao efa betsaka ny commande πŸ₯Ή.

Ny faharetana sy ny finoana, indrindra fa ny fahasoavan' Andriamanitra no nampijoro anay indray πŸ™‚.

Misaotra anareo foana manohana ny asa vita malagasy πŸ™πŸ˜.

Nanao ahoana ny faran’ny herinandro tao ry zareo? 😊Ny tato @ atelier tsy nisokatra aloha nohon’ny antony ara-pahasalaman...
13/04/2026

Nanao ahoana ny faran’ny herinandro tao ry zareo? 😊

Ny tato @ atelier tsy nisokatra aloha nohon’ny antony ara-pahasalamana fa efa miverina misokatra izahay izao 😊.

πŸ“ŒManao ny asa rehetra mahakasika ny vy izahay fa aza misalasala mandefa mp πŸ˜‰.

Mirary herinandro tsara ho anareo daholoooo πŸ™πŸ».

Rehefa mahazo retour tahak’izao hoe Β« Faly tena faly Β» πŸ₯Ή, izahay indray no tsy mahita toerana hametrahana ny hafaliana πŸ˜‚...
09/04/2026

Rehefa mahazo retour tahak’izao hoe Β« Faly tena faly Β» πŸ₯Ή, izahay indray no tsy mahita toerana hametrahana ny hafaliana πŸ˜‚.

Andriamanitra no hisaorana amin’ny zavatra rehetra πŸ™πŸ».

πŸ”ΊEfa miverina mandray commande izahay πŸ˜‰ : porte cintre, fanahazan-damba, varavarana, vavahady, seza, latabatra, tohatra, Γ©tagΓ¨re sns…

☎️ 034 16 984 75 - 032 67 630 77 πŸ˜‰

‼️ π™πšπ―πšπ­π«πš πŸ‘ 𝐦𝐒π₯𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐭𝐫𝐚𝐨 π¦π¨π¦π›πš 𝐧𝐲 𝐕𝐲 𝐫𝐚𝐑𝐚 𝐦𝐒𝐭𝐚𝐝𝐲 πˆππ•π„π’π“πˆπ’π’π„πŒπ„ππ“ 𝐦𝐚𝐟𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐭𝐞𝐳𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐦𝐚𝐑𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 π’πšπ§πšπ¨πŸ‘‰ 𝘍𝘒𝘩𝘒𝘳𝘦𝘡𝘒𝘯𝘒 𝘴𝘺 𝘡𝘒𝘯...
08/04/2026

‼️ π™πšπ―πšπ­π«πš πŸ‘ 𝐦𝐒π₯𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐭𝐚𝐭𝐫𝐚𝐨 π¦π¨π¦π›πš 𝐧𝐲 𝐕𝐲 𝐫𝐚𝐑𝐚 𝐦𝐒𝐭𝐚𝐝𝐲 πˆππ•π„π’π“πˆπ’π’π„πŒπ„ππ“ 𝐦𝐚𝐟𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐭𝐞𝐳𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐦𝐚𝐑𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐚𝐧𝐚𝐨

πŸ‘‰ 𝘍𝘒𝘩𝘒𝘳𝘦𝘡𝘒𝘯𝘒 𝘴𝘺 𝘡𝘒𝘯𝘫𝘒𝘬𝘒 β†’ Ny vy dia iray amin’ireo metaly maharitra indrindra, tsy mora vaky na simba.
πŸ‘‰ 𝘍π˜ͺ𝘒𝘳𝘰𝘷𝘒𝘯𝘒 𝘴𝘺 𝘧𝘒𝘩𝘒𝘡𝘰𝘬π˜ͺ𝘴𝘒𝘯𝘒 β†’ Manome stabilitΓ© sy sΓ©curitΓ© amin’ny zavatra entiny.
πŸ‘‰ 𝘍𝘭𝘦𝘹π˜ͺ𝘣π˜ͺ𝘭π˜ͺ𝘡é 𝘴𝘺 𝘦𝘴𝘡𝘩é𝘡π˜ͺ𝘲𝘢𝘦 β†’ Azo atao amin’ny design sy refy samihafa, ary azo asiana fini dorΓ© na noir ho tsara endrika.

Izany no mahatonga ny asa rehetra ato amin’ny atelier ( porte cintre, vavahady, varavarana, seza, latabatra, fandriana, porte rideaux, Γ©tagΓ¨re, fanahazan-damba sns) ho safidy tsara indrindra: mateza, azo antoka, ary tsara endrika πŸ˜‰

βœ‰οΈ Alefaso ny refy sy ny filΓ nao, dia izahay no manamboatra azy araka izay mety aminao. Investissement indray mandeha, faharetana mandritra ny taona maro.

☎️ 034 16 984 75 - 032 67 630 77

Address

Ambodivona

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 12:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when L'atelier de ziona posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category