30/03/2026
Araka ny efa nolazaina antsika dia hivoaka kely ny écran i By love - K&N ❤️ ny zoma 3 sy sabotsy 4 aprily izao etsy amin'ny Hotel Le Pavé Antaninarenina.
Ireto avy ny sombin'ny vokatra ho hitantsika any, izay ho ampahafantarina anareo etoana :
🧀 Fromage artisanal (ilay nahalalanareo anay voalohany)
🫠 Fromage fondu (ilay vokatra vaovao efa tianareo sahady !)
🍜 Pâtes (nouilles na paty gasy izay efa nahazatra anareo, fettucines, tagliatelles) 🍝
🍯 Miel de niaouli (vokatra vaovao amin'ny habeny izay tiana, tsy mitapoka, azo antoka iatrehana ny ririnina sy ny nahandro mamimamy rehetra)
🍨 Mousseramisu (ilay mamikely ankafizinareo amin'ny goûter na amin'ny dessert, izay nohatsaraina, ahatsiarovana ny tsiron'ny mousse sy tiramisu anatina pot feno anankiray 🤤)
Mbola misy ihany koa ny masira entina hampatsiro ny fetin'ny p***a fa ireo aloha ny tapany voalohany...
Manasa antsika ho avy, hitsidika sy hanjifa. Misy ny fanandramana maimaimpoana na amin'ireo roa andro ireo.