27/08/2026
💥 𝐍𝐄́𝐏𝐀𝐋 𝐒𝐘 𝐓𝐈𝐁𝐄𝐓 : 𝐎𝐋𝐎𝐍𝐀 𝟔𝟔𝟓 𝐌𝐁𝐎𝐋𝐀 𝐓𝐒𝐘 𝐇𝐈𝐓𝐀 𝐏𝐎𝐏𝐎̂𝐊𝐀, 𝟏𝟎𝟎 𝐌𝐀𝐇𝐄𝐑𝐘 𝐍𝐎 𝐕𝐎𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀 𝐅𝐀 𝐍𝐀𝐌𝐎𝐘 𝐍𝐘 𝐀𝐈𝐍𝐘
👉 Araka ny vaovao voaray dia mbola mitohy ny fiakaran’ny ranobe sy ny fihotsahan’ny tany any amin’ny faritra sasany ao Népal sy Tibet, Chine, ka miteraka fahavoazana goavana.
🇳🇵 Any Népal, anisan’ireo faritra tena voa mafy ny Rasuwa, Syapru Besi ary Timure. Manodidina ny 400 ireo olona mbola tsy hita popoka, raha efa 100 mahery kosa ireo olona namoy ny ainy.
🇨🇳 Any Tibet, Chine, dia voakasik’izany indrindra ny faritra Gyirong. Olona 3 no efa hita faty, raha manodidina ny 265 kosa ireo mbola tsy hita popoka.
⚠️ Raha atambatra, dia mahatratra 665 eo ho eo ireo olona mbola karohina, raha 100 mahery kosa ireo efa fantatra fa namoy ny ainy.
🎥 Tahaka ny hita amin’ity vidéo ity ny hamafin’ny loza. Mbola ao anatin’ny fikorontanana sy fifanjevoana ny mponina, raha mitohy kosa ny ezaka ataon’ireo mpamonjy voina amin’ny fitadiavana ireo olona tsy hita popoka.
🙏 Mirary hery ho an’ireo fianakaviana rehetra tra-boina sy mbola miandry vaovao momba ny havany.