11/02/2026
Alarobia 11 Febroary 2026 - 04h
▶ Toerana misy ny foiben'ilay rivodoza GEZANI 🌀: an-tanety ao amin'ny Distrikan'i Anjozorobe (Faritra Analamanga)
▶ Heriny: Mihena miandalana ka lasa Forte Tempête Tropical izy. 90 km/h ny rivotra miaraka aminy arahina tafiotra 110 km/h manakaiky ny foibeny.
▶ Fikisahany: Niakandrefana mahafaka 25 km/h
▶▶ Vinavinaina hanohy hamakivaky anio Alarobia tontolo andro ireo Distrikan'ny Ankazobe, Fenoarivo Afovoany, Tsiroanomandidy, Miandrivazo,ary antenaina hivoaka an-dranomasina any amin'ny lakandranon'i Mozambika anio Alarobia alina eo anelanelan'ny Maintirano sy Morondava.
Filazana loza:
🔴 Loza mitatao miloko MENA : Faritra Atsinanana, Analanjirofo, Alaotra Mangoro, Analamanga, Ambatosoa ary Betsiboka.
🟡 Loza manambana miloko MAVO : Faritra Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Melaky ary Menabe.
✖️ Foana ny filazana loza : Faritra Ambatosoa, Mandritsara ary Befandriana Avaratra.
Meteo Madagascar