30/09/2025
🌍💔 MADAGASCAR MARARY 💔🌍
Ry Madagasikara…
Nosy mamy sy tsara endrika, manankarena kolontsaina sy fitiavana.
Ankehitriny kosa, reraka ny tavanao, feno triatra noho ny fijaliana.
Mitomany ny zanakao noho ny hanoanana sy hetaheta,
mijaly amin’ny haizina sy delestazy ny lalanao,
ary voafefin’ny tsy rariny sy kolikoly ny vahoakanao.
Ianao izay loharanon-kazavana aty amin’ny ranomasimbe Indianina,
efa marary, efa voaratra, efa nafoin’ireo tokony hiaro.
Ny ranomaso sorisory amin’ny tavanao dia ranomaso avy amin’ny vahoaka.
Ny fanavinao diaaretina mikiky aoanatinay ary ratram-bavaka ao am-ponay.
Fa tadidio ry tanindrazanay,
na marary aza ianao dia mbola velona ao am-ponay.
Raha mbola misy feo miaro anao,
raha mbola misy tanana manandratra anao,
raha mbola misy fanahy vonona hiady ho anao,
dia ho sitrana ianao.
✊ Madagasikara marary androany… fa hiarina rahampitso.
Madagascar…🇲🇬
Notre île si belle, si riche en âme, en culture et en amour.
Aujourd’hui, ton visage est fatigué, fissuré par les souffrances.
Tes enfants pleurent de faim et de soif, tes rues crient dans le noir des coupures d’électricité,
et ton peuple étouffe sous le poids de l’injustice et de la corruption.
Toi qui as toujours porté la lumière de l’océan Indien,
tu es aujourd’hui malade, blessée, abandonnée par ceux qui devraient te protéger.
Tes larmes sont celles de ton peuple.
Tes fièvres sont celles de nos douleurs.
Mais souviens-toi, chère patrie,
même malade, tu restes vivante dans nos cœurs.
Et tant qu’il y aura des voix pour te défendre,
tant qu’il y aura des mains pour te relever,
tant qu’il y aura des âmes prêtes à se battre pour toi,
alors tu guériras.
✊ Madagascar marary androany… fa hiarina rahampitso.