17/02/2025
Matetika dia toa manorisory sy manirikiry antsika ny fisian'ireo bibikely ao atrano, ireto ary misy fikafika entina amintsika isorohana azy ireny
Vitsika, kadradraka, kalalao, lalitra, koroka⊠maro ireo bibikely manelingelina ny filaminana sy ny fahadiovana ao an-tokantrano. Efa nampiasa odim-biby isan-karazany ianao nefa mbola miverina foana ireo bibikely ireo ? Ireto ary misy fomba fisorohana sy fiadiana aminâireo bibikely ao an-trano.
Atao madio tsara ny trano
Anisanâny misarika ireo bibikely fahita ao an-trano ny loto. Ny potin-tsakafo no tena ankafizinâizy ireny. Ny lakozia moa no lasibatra matetika aminâizany. Ho fisorohana ny fidiranâny vitsika, kalalao sy ny lalitra ao an-trano dia mila atao madio tsara ny lakozia sy ny efitra fisakafoanana. Diovina tsara ny fitaovana fihinana sy ireo fitaovana nandrahoana sakafo. Tsy tokony avela hijanona maloto, indrindra mandritry ny alina. Toy izany ihany koa ny latabatra, seza sy ny tany. Fafana tsara hialanâny potin-kanina.
Diovina ary atao maina tsara ireo fanaka rehetra
Mora mandomando ny fanaka, indrindra ireo vita aminâny hazo. Ankafizinâny bibikely, toy ny kadradraka sy ny ny koroka, manokana io hamandoana io. Mila ezahina diovina sy atao maina tsara hatrany noho izany ny fanaka rehetra, na ny ao an-dakozia, efitrano fatoriana, efitra fisakafoanana⊠Tsara kokoa raha avela itapiandro kely indray mandeha isan-kerinandro rehefa avy diovina tsara.
Mampiasa ireo fikafika natoraly iadiana aminâny bibikely
Maro ireo fikafika natoraly afaka ampiasaina iadina aminâny bibikely raha tsy te hampiasa ireo ody biby simika ianao. Afaka atao ohatra ny manafangaro rano sy vinaigitra mitovy fatra. Atao anaty tavoahangy ary atsifitra eo aminâny toerana ahitana vitsika, kalalao na lalitra. Mampitsoaka ny bibikely ihany koa ny akora mahery fofona toy ny dipoavatra mainty sy ny jirofo. Afafy eo aminâny faritra ahitana tangorona vitsika izy ireny ka mampitsoaka azy ireo.