Mampita Soa-Arts

Mampita Soa-Arts Arts

DIEU VEUT TOUCHER LÀ OÙ ÇA FAIT MALÊtre une jeune fille chrétienne ne signifie pas ne jamais être blessée.On peut aimer ...
28/01/2026

DIEU VEUT TOUCHER LÀ OÙ ÇA FAIT MAL

Être une jeune fille chrétienne ne signifie pas ne jamais être blessée.
On peut aimer Dieu sincèrement
et porter des douleurs silencieuses.
Mais la bonne nouvelle,
c’est que Dieu ne contourne pas la douleur : Il la guérit.

1️⃣ Les blessures que la jeune fille porte en silence

Beaucoup sourient, servent, chantent,
mais à l’intérieur il y a :
• le rejet
• l’abandon
• les comparaisons
• les paroles blessantes
• les déceptions affectives

👉 Ce que tu tais n’a pas disparu. Dieu le voit.

2️⃣ Pourquoi Dieu veut toucher ce qui fait mal

Dieu ne guérit pas pour exposer,
Il guérit pour libérer.
Une blessure non guérie peut :
• influencer tes choix
• affecter ton estime
• t’amener à accepter moins que ce que Dieu a prévu

👉 Dieu veut te restaurer avant de t’emmener plus loin.

3️⃣ La blessure émotionnelle n’est pas un manque de foi

Pleurer ne signifie pas être faible.
Souffrir ne veut pas dire être loin de Dieu.
Même Jésus a pleuré.
👉 La guérison commence quand on arrête de se juger soi-même.

4️⃣ Ce que Dieu veut faire dans ton cœur

Dieu veut :
• remplacer la honte par la paix
• remplacer la peur par la sécurité
• remplacer les mensonges par la vérité
• restaurer ton identité

👉 Dieu ne répare pas seulement… Il renouvelle.

5️⃣ Comment Dieu touche là où ça fait mal
• Par Sa Parole
• Par la prière sincère
• Par la vérité dite avec amour
• Par l’accompagnement spirituel

👉 La guérison est un processus, pas un instant magique.

Dieu veut toucher là où ça fait mal,
non pour te faire revivre la douleur,
mais pour te redonner la joie, la paix et l’espérance.

👉 Tu n’es pas brisée pour toujours.
Tu es en restauration.

🙏 Prière

Seigneur,
je te confie mes blessures cachées.
Touche mon cœur là où j’ai mal.
Guéris-moi, restaure-moi,
et aide-moi à marcher librement.
Amen.
𝐉𝐞𝐮𝐧𝐞 𝐟𝐢𝐥𝐥𝐞 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐉𝐄𝐒𝐔𝐒

Tena nisyIzaho sy ny fitiavako manaingo moa no nandrisika ahy hirotsaka amin'ny sehatry ny fanaingoana. Indray andro iza...
12/01/2026

Tena nisy

Izaho sy ny fitiavako manaingo moa no nandrisika ahy hirotsaka amin'ny sehatry ny fanaingoana. Indray andro izay nahita zavatra tiako aho sady afaka hampiasaiko amin'ny zavatra maro hiangaliako. Niresaka izahay mivady dia raikitra fa halaina izany fitaovana izany. Niady varotra ary nampirimina ny entana. Gaga fa mody kely be dia be fa sady navesatra no nibotsina.
Nojerena ny fahafahana rehefa tafavoaka ny tsena, tsy afaka maka fiara karetsaka fa mety afaka handeha fiara hiombonana.

Nijanona ny fiara teo amin'ny fiajnonany fa niady varotra saran-dalana tsy ampy 300ar ilay volanay. Efa ora roa izahay anefa no teo. Nisy karazan'olona manodidina anay fa toa mijery fotsiny. Misy no te hiteny hoe nividy tsy nahalala maty. Misy ny mivandravandra toa hanaikitra. Misy olom-patantra aza nandalo fa misy ny hoe iry ny bus-ko dia lasa, misy hoe maikamaika, misy ny manao fialan'ny jiosy. Misy indray toa te hiteny hoe izahay ve tsy pisoloky. Misy toa te hiteny hoe ny paozinay ve dia tsy hanana vola...

Ny fotoana mandeha sao hariva ihany ka ho maika olana dia nanapa-kevitra fa izahay mianaka handeha tongotra fa i ramose no mandeha fiara miaraka amin'ny entam-be dia any an-trano ny fotoana. Hoentiny avokoa izay manelingelina anay.
Indro nisy olona nikitika aho hoe ity misy 300ar. Gaga aho, SDF izy ary efa ela hono izahay no tazany teo ary henony sy hitany daholo ny zava-nisy teo. Izaho moa tonga dia nitomany, tsy tanako ny ranomasoko. Tsy nahalala menatra na teny amin'ny arabe aza. Dia niresaka teo izy sy ny vadiko. Ny henoko fotsiny dia hoe efa teo aho no niala ary fantatro tsara io mahazo anareo io. Vao vantany vita anefa ny fisaorana dia tsy hita izy. Tsy hainay na toerana fandehanany iny na aiza no faritra tena hahitana azy... Na ny endriny aza tsy tena voajeriko akory fa ny bikany no fantatro raha hitako.

Indro tonga ny fiara inona hoy ianareo. Olona mahafantatra ahy ilay saofera, "ndao miakara hoy izy, i ramose naka aloha niaraka amin'ny entana izahay mianaka tao aoriany" vao hiomana hamoaka vola aho dia niteny izy hoe "tsy mandoa saran-dalana lesy ny entan'ireo fa izy mivady ihany a!" Latsaka indray ny ranomasoko, ohatran'ny nahalala ny zava-nisy izany izy nefa tsy fantany akory. Nitohy niresaka teo moa izy roalahy, be resaka koa moa io ranamana io hatramin'izay. Tonga amin'izany tanana dia na manga aza ny tafa dia tsy maintsy misaraka. Nila ady amin'izay ity mpanampy azy. Novaliany sady tsy taitra akory izy hoe "na ohatrinona na ohatrinona hecerin'ialahy dia fantatra foana ny fotoana sy ny olona tokony hakana vola. Hay koa ny afaka manao sy tsia loatra fa tsy vola vola foana ny fiainana." Hitako tena sosotra mafy ny fony. Nefa misy fotoana tsy ampy ny vola hamerenana dia matetika izahay no tsy maintsy mandray satria tonga amin'ny toerana aleha. Vitsiana ny mba hoe manome mihoatra noho ny majinika tsy ampy. Dia mihoatra 200ar na 300ar ny famerim-bola azo. "Mbola hanam-bady aman-janaka ialahy hoy izy, mbola handeha lavitra ihany koa dia hohitan'ialahy izany. Mbola mianatra ialahy..." Izay hoy izy satria aho nisava vola dia saika hanolotra dia "aok'izao hoy izy fa ataovy "goûter" -n'ny kilonga sady mbola be no azo hifanaovana no efa betsaka no nifanaovana fa raha mbola velon'aina dia mifankahita eny ihany. Fianarana ny fiainana, na ianareo aza mbola mbola maro no holalovana fa aza kivy hoy izy fa raha mbola manao ny tsara hoampian'Andriamanitra eny foana..."

Nanokana fotoana izahay niverenana teny amin'ilay toerana niantsonan'ny fiara hitady io olona SDF io fa tsy nety hitanay izy. Ary hatramin'izao aza dia rehefa makany dia mbola mitazana ihany sao eny ihany izy.

Tena tsy ny isan'ny vola na ny fanana sy ny fahafahana tokoa no handrefesana ny maha-olona manam-panahy. Ary tsy ny saranga na ny asa atao na ny toerana azo no hitarafana ny haben'ny fitiavana.
Misy tokoa na afaka manome mihoatra aza dia mijery fotsiny. Misy ny manontany ny ory ny hananany fa raha tsy lazainy mialona dia heveriny fa mikajy ny am-paosiny. Misy ny manome ihany fa mikajy izay hiverina aminy raha tsy mijery voninahitra na dera na miseho ho mahavita. Misy indray tsy manome mihitsy fa matahotra ambakaina na voasoloky na hifindran'ny fahantran'ny hafa na ny olany. Misy indray no efa voafetsy matetika ka lasa manidy tanana. Misy ny manana afaka omena sy hatolotra fa mody tsy mahita na mahare raha hantonina satria hoe mafy no nahazoany ireo ka mba miezaha koa. Misy koa ireo mailomailo be raha vao tsy manana noho izy no miezaka mifandray aminy. Misy koa ireo mifidy omena noho ny antony maro...

Izaho, ianao, isika ve mba olon'ny fanahy? Isika ve mba manam-pitiavana? Isika ve ilay miandry tolorana foana sa mba manome fitiavana? Tsy amin'ny resaka vola ihany fa amin'ny atao na fiteny na hafa koa?...

Ny zaza tolorana foana ny lehibe no afaka manapa-kevitra hoe hanome na handray indray amin'ny fotoana iray. Na dia ny zaza aza anefa dia afaka beazina hahay hizara fitia amin'ny manodidina azy ka afaka manokatra tanana manome.

Tao anatin'ny taona iray dia maro ny sedra nolalovanay. Tao ny ala-botry nahaverezana ny fitaovam-piasana sy ny akoho am...
02/01/2026

Tao anatin'ny taona iray dia maro ny sedra nolalovanay. Tao ny ala-botry nahaverezana ny fitaovam-piasana sy ny akoho amam-borona, ny fidiran'ny olona antsokosoko ao an-tokotany maka izay mahaliana azy rehetra, ny fiatrehina marary, ny fanenjehina satria hoe manana an'Andriamanitra nefa be ady atrehina noho ny tsy manana Azy, ny fanaratsiana sy ny tondro molotra, ny fandaozan'ny tiana ny tena, ny fanaovan'ny olona heverina akaiky ny tena ho tsy misy... Ny tsy maintsy nanaovana sy nanatsarana foto-drafitr'asa fanatsarana ny trano honenana, ny tsy maintsy nanapahana hevitra fa hanomboka ny asa niantsoana raha vao tsy tapitra ela akory ny fiatrehina ireo zavatra maro ireo na iza eo, na iza manohana na iza tsy te hahalala.

Na dia teo tokoa aza izany rehetra izany dia ny adidy sy ny andraikitra tao an-tokantrano sy ny fianakaviana sy ny hafa tsy maintsy noheverina. Ary ny andavan'androm-piainana tsy maintsy hihainana.

Nandalo teo aminay ny karazana olona fetsy ratsy sy ratsy fanahy, fa Andriamanitra koa teo ho anay ary tafavoaka ihany.
Nandalo teo aminay ny olona fatsora fa teo Andriamanitra tsy nandao.
Nandalo ny mpangalatra sy ny mpisoloky fa Andriamanitra tsy niala.
Nandalo ny tsy fisian'asa fa Andriamanitra nanomba.
Nandalo ny adin-tsaina sy harerahana fa Andriamanitra nitantana.

Tsy nahatsiaro izahay hoe niala na nandao anay Izy na indray mandeha monja aza. Eny, nifamaofao tao ny ranomaso, ny toloko, hasosorana hatezerana... Fa tena tsapanay fa tsy irery izahay niatrika ireo karazan'olana na dia ny teo tsy tapitra ny teo tonga ihany. Ary nanampy anay tamin'ny fomba tsy takatray Andriamanitra, nandefa olona sy nanome fahafahana isan-karazany.
Teo dia fantatray fa manohana ary miandany aminay Andriamanitra. Fantatray fa samy mbola hahazo ny anjarany ny tsirairay, samy mamafy ary samy mbola hijinja.

Tafavoaka ihany izahay na dia nifangaroharo be tao aza ny karazana fihentsem-po. Ny tsy maintsy nanaovana fanampahan-kevitra maro isan-karazany hahafahana miatrika sy manohy ny lalana. Tsy maintsy nanao safidy na dia mafy aza ny nandraisana izany.

Maro ny zavatra nianarana na tamin'ny fiatrehina ara-tsaina na tamin'ny fanatanjahana ny tena, na tamin'ny fijoroana ara-panahy niatrehina ireo, na ny teo amin'ny fifandraisana. Eny, mafy ny nianarana azy fa mitohy mianatra. Misy amin'ireo no mbola mampanontany tena hoe fa dia nahoana loatra re. Fa arak'ilay hoe aza avela hanontany aho, ny amin'ny anton'ny hatsiaka sy hafanana... Dia mino aho (izahay) fa tsy fandringanana no anton'izao fa hanehoana ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny fahasoavany eo amin'ny fiainanay.

Efa nivoaka mpandresy izahay tamin'ny lafiny maro tamin'ireo ary mbola mitohy ny tolona sy ny ady. Tsy maintsy mpandresy isika rehefa miaraka mandeha amin'Andriamanitra.

Ka amin'izao taona vaovao izao dia miarahaba anao sy ny ankohonanao tratry ny taona 2026. Hitombo arak'izany anie ny soa sy ny fahatsaran'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika. Ary dia hitombo amin'ny fitiavana sy fahalalana Azy bebe kokoa isika amin'ny andavan'androm-piainantsika.

Sitraka, Mampitasoa ary Fitiavana.

Ny maha-"cordon-bleu" ny "cordon bleu" dia tsy ny fahaizana mamoaka tsiron-kanina ihany akory na ny hatsaran'ny endrika ...
22/12/2025

Ny maha-"cordon-bleu" ny "cordon bleu" dia tsy ny fahaizana mamoaka tsiron-kanina ihany akory na ny hatsaran'ny endrika ivelany ho jeren'ny maso fa indrindra indrindra ny fahaizana mamoaka ny otrik'aina ilain'ny vatana sy ny fampivadiana ny otrik'aina hita ao anaty sakafo tsirairay mba hahasalama ny olona karakarainy.

Ny mampalahelo dia betsaka ny "chef" ary amin'ny sokajiny avy raha lakozia no resahana saingy variana eny amin'ny kanto hamoky ny maso sy ny lela fa vitsiana no mifantoka amin'ny fahasalaman'ny mpanjifa.
Taraiky anaty "recette commerciale" avokoa ny ankamaroiny.

Ary na ny kilia koa aza dia variana amin'ny endrika amam-bikan'ny kaly fa tsy mihevitra izay hahasalama azy intsony. "Dommage".

.
.
.

Akaiky izao ny vanim-potoana fankalazana ny krismasy sy taom-baovao ary tsy ratsy ny mifety fa tsara heverina ihany izay hanina hohanina.

Ny vokatry ny tena fitiavana tsy voavidy vola. Ary tsy azo sandaina na amin'inona na amin'inona akory ny fitiavana. Afak...
16/12/2025

Ny vokatry ny tena fitiavana tsy voavidy vola. Ary tsy azo sandaina na amin'inona na amin'inona akory ny fitiavana.
Afaka manao ezaka mba hifaninana amin'ny olona manana izany ao am-pony isika kanefa ho reraka raha tsy mitoetra ao anatintsika koa ny fitiavana.
Ny fitiavana tsy mifaninana, tsy miady na miahy hoan'ny tena, tsy mialona, manantena sy mino ny zavatra heverina ho tsy "possible"... Ny fitiavana mahafoy ny ainy hoan'ny sakaizany, tsy hoe rehefa " disponible" ihany fa na amin'ny fotoana tsy tokony aza dia afaka satria tia.
Ny fitiavana tsy miandry tamby na valy kanefa ny fitiavana mifamaly no tsara indrindra amin'ny fifandraisana ary tena mahatsara fihavanana.
Ny fitiavana tsy mitia izay mendrika tiavina ihany na izay heverina afaka tiavina. Ny fitiavana afaka mitia na ireo izay heverina ho tsy tokony omena izany akory aza. Tsy amin'ny vava fa amin'ny fihetsika sy ny atao.
Ny tena fitiavana dia tsy fisehosehoana na fizahozahoana ary lavitra azy ny hamono ny fitiavan'ny hafa. Ny fitiavana tsy mitsara velively.
Ny fitiavana marina mamelombelona ny manodidina azy. Ny fitiavana marina mamboly fitiavana ary miteraka fitiavana. Voa afafy ny fitiavana.

Misy fotoana mahatsapa hoe te hanomboka hanao zavatra iray izany. Ohatran'ny hoe efa fotoana tokony hihetsehina, na ny f...
18/05/2025

Misy fotoana mahatsapa hoe te hanomboka hanao zavatra iray izany. Ohatran'ny hoe efa fotoana tokony hihetsehina, na ny fiaraha-monina sy ny manodidina aza dia tena manaiky fa izay tokoa. Efa tena hoe fotoana hihaingana fa varimbariana eo noho ny antony maro dia tara na tsy lasa amin'ilay tiana ho atao na haleha mihitsy aza.

Zavatra telo no hitako azo tsoahina.
Ny voalohany dia raha lasa toa fahazarana ilay fahatarana dia mila mihevi-tena handrao lasa fahazaran-dratsy ilay izy. Lasa handrasana foana. Mahatonga ny zavatra rehetra hihemotra matetika na foana mihitsy aza indraindray. Nefa dia toa tsy rotitra mihitsy fa maka tsy taitra, ny hafa anefa tena efa tsy mahatombina. Efa voan'ny rarin-tsaina dia lasa miteraka fifamaliana ilay izy eo amin'ny handrasana lava sy ny miandry. Dia samy milaza eo hoe tsy azonao mihitsy ilay izy... Nefa zavatra mba mety azo hanaovana ezaka ihany ny mba tsy ho tara kokoa hatrany dia avy eo tsy tara intsony. Nefa raha zavatra tena miankina aman'aina ve no nahatara dia hisy adala dia ho tezitezim-poana raha nanazava ilay olona? Fa misy kosa aloha tena tompony mihitsy raha hamorina tantara hampanekena ny tena hoe tena tsy hadisoana na fanahiniana ilay tara. Rehefa fakafakaina ilay zavatra hay tsy marina akory. Misy indray tsy manisy hasina olona na miraharaha mihitsy. Asa raha mba mahatsapa ireny olona ireny hoe mety mamotika fifandraisana izany. Mety mqhatonga ny olona hihevitra zavatra tsy tokony heverina noho ilay fahatarana lava reny. Fa misy tena tsy taitra mihitsy na efa basy mitohoka amin'ny tendany aza. Fa tandremo ihany satria mety tsy hahazo anjara matetika raha tara foana an. Fa raha sendra tonga alohan'ny rehetra koa izy dia tena toa fahagagana be mihitsy. Fa indraindray mahatsara zavatra, indraindray manimba. Fa raha vao tara lava koa sao lasa tsy omen'ny olona lanja eo.

Ny faharoa raha olona marim-potoana, kanefa toa lasa tara. Indraindray rehefa tena mahatoky ny olona ka manana iankinana izy (Andriamanitra indrindra indrindra) dia toa lalaovin-javatra izy raha misy zavatra ratsy mety hitranga na tsy tokony hidirany dia tsy tratrany ilay fotoana. Afa-tsy hoe tonga aminy ilay hoe andro miditra hoy ny olona izay. Votsitra ho azy ilay zavatra mety hamingana azy. Ohatran'ny hoe misy zavatra mitazona azy tsy nahafahany mamonjy ilay fotoana na tsy hahafahany mihitsy. Dia matetika izy no malahelo na manamelon-tena nefa hay nisy antony tao. Dia mandrapahatakany an'izay dia tsy milamina mihitsy izy. Dia rehefa manomboka manaiky hoe hay nisy antony tao dia lasa tsy dia mahazo azy ny rarin-tsaina dia lazaina fa niova izy. Misy mahita izay ho tsara misy ratsy arakarak'izay mandray azy. Fa na izy tenany aza sahirana anefa raha vao matetika ilay fahatarana na tsy fahafahana satria tsy mety aminy ilay handrasana sy mampiandry ny hafa. Ary raha sanatria ilay tara matetika no lasa miandry dia misy mahatakatra ihany hoe mety tsy fanahy iniana fa misy tena manome tsiny satria niandry. Nefa rehefa izy no nandrasana niezaka nanindry fo ny olona. Hany ka raha tara izy no lasa diso anjara dia tena malahelo mafy ery ny fony. Izy tsy manahy raha tonga aloha fa ilay tara aloha tena tsy tantiny. Matetika raisin'olona hoe olona entitra sy masiaka foana. Aleo asiana fandanjalanjana ihany na dia hoe marina aza ilay lazaina. Miteny miteny fa rehefa tsy mandray ny hafa satria tsy mety amin'ny fihevitra na fijery ilay izy dia aleo ny zavatra hoentin'ny fotoana no hanitsy sy hitondra fanovana.

Ny fahatelo dia ilay olona tonga alohan'ny fotoana. Atsakadiny aloha na fahefatr'adiny izy no tonga dia miandry eo. Dia amin'iny izy rehefa misy zavatra mahasoa tampoka eo dia izy no mahazo anjara mialoha. Fa raha misy zavatra hafahafa mitranga koa eo dia mety hiaran'iny izy na mahita miatrika an'iny. Mety ho zakan'ny saina na tsia arakarak'izay toe-javatra eo. Manova azy ary manefy azy koa iny.
Efa miaina zavatra maromaro izy miandry eo iny vao tonga ilay olona tara matetika na marim-potoana. Matetika ity karazan'olona ity tsy miandry mihoatra ny fahefatr'adiny ny fotoana nifanekena ary tsy mandray fialan-tsiny mihitsy izy raha tara fotoana ny olona iray. Satria efa tonga alohan'ny fotoana izy no sady efa niandry raha taraiky ilay olona. Ary raha vao tara loatra dia tsy hantenaina hiandry eo izy raha tsy tena misy dikany aminy ilay fihaonana. Raha tsy hoe miodina kely izy manao zavatra aloha dia amin'iny mety tara indray izy anefa dia lasa handrasana, ary amin'io tranga io tsy mihevi-tena diso mihitsy izy na himenomenona eo aza ilay lasa niandry azy. Ny mahatsara ny tonga aloha koa dia mba afaka mamorona fifandraisana na manatevina fahalalana kely na mahafantatra zavatra alohan'ny rehetra. Mampanontany tena koa ilay karazana fitaizana nomena ity karazan'olona ity. Mety ho mora raisina ihany ve? Raha vao tara anefa ity karazan'olona ity dia tena mampitaintaina ny maro ny fahatarany.

Iza amin'ireo re ianareo e? Iza no tianareo hananana amin'ireo toetra ireo?
Fa izao an, ny zavatra tsara indrindra hono dia ny amin'ny fotoany.
Raha tangosana alohan'ny fotoana ny letchis dia tena makirana ary tsy te hiherika azy indray avy eo na efa mamy afaka hakana fafiny aza izy hoy dadabe anay izay satria efa tonga ny fotoana mahamasaka tokony hihotazana ka hihinanana azy. Ianao efa nagalam-pihinana hoy izy ka ho hitanao intsony ny tsirony? Fa raha tara fioty koa anefa dia loa indray ka tsy hisy ho raisina ny aminy na misy biby.

Fa izao misy koa ilay hoe fotoan'Andriamanitra. Tsy maika Izy fa tsy tara. Tsy mandeha alohan'ny fotoana Izy na ao aorian'ny fotoana. Tena amin'ny fotoany Izy. Ary ny fotoany tsy fotoantsika. Raha manaraka Azy isika dia mila mahay mihaino izay fitondrany izay. Ary mila manaiky ny fisainany. Tsy mitovy amintsika Izy ary tsy mihevitra toa antsika akory. Anefa dia tena mahasoa ny lalany sy ny fitondrana ataony.
Ny mety izany dia ny manontany ny fotoany, miandry izay vao mihetsika.
Ilay miandry anefa raha ny fahitako azy tsy ilay mipetraka tsy manao inona na inona fa toa an'ilay toetran'ilay olona tonga alohan'ny fotoana. Miandry fotoana fa sady mahavita zavatra ihany. Mety tsy misy hifandraisany amin'ilay zavatra ho atao ilay atao amin'iny miandry iny fa tsy very na lany fotsiny ny fotoana.

Fa tena hafa mihitsy ny tsiron'ny zavatra iray tena nandrasana sy nandrandraina iny na toa mahazatra ny olona hafa aza rehefa amin'ny fotoany izay. Eny fa na dia mafy aza ny ady mety atrehina sy natrehina vao tonga eo amin'ilay izy.

05/05/2025

Lalana diavina ny ety, hivahinianana tokoa
Ka nahoana no tsy hifankatia, sy hifanohana ihany koa?
Izay nampifandraisin'Andriamanitra dia aoka tsy ho voasarak'olombelona
Eny aoka tsy ho silaran'ny sarangam-piainana sy ny sarangan'olona

Teraka ny olona mitomany, satria ady ny fiainana an-tany na ho aiza na ho aiza.
Mianatra minono, mihiana, mandady, mipetraka, mandeha, manao zavatra irery...
Ao anatin'izay dia mamolavola tena sy miezaka mitombo amin'ny zavatra rehetra.
Mandrampahatonga ilay ora fiantsoana farany sady manefa izay asa nampitondraiNy.

Manontany tena aho fa aiza lery, sahirana lava fa manenjika avanana sy avia.
Mananika n sy miakatra ihany, mandeha hatrany, mihatsara hatrany
Tazomin'Ilay AVO INDRINDRA tantanany sy taritiny ambony.
Ho avo toetra sy ho avo talenta, irian'olona, ho faka tahaka ho ohatra tsara.

Ny no lehibe indrindra satria mahaza maniraka, manainga malaina, hahavitana mihoatra ny fefy.
Mampiredareda sy mampitsiry finoana ombam-panantenana sy fahatokiana.
Ilay Andriamanitra Fitiavana hampianatra sy hanomba amin'ny zavatra rehetra .
Eny na zavatra toa malazo aza raha tojo Azy dia ho velombelona indray.

Ny hazo tokana tsy mba ala, ary ny hazo antendrombohitra irery halan-drivotra.
Ho nampitaina sy ho jiro manazava, ho rehareha sy ho lasan-davitra koa.
Ilay TSITOHA anie no hamatsy izay ilay sy hanome izay fahendrena sy fahalalana hoenti-mandroso.
Ho olom-banona anie ilay zazalahy kely maha te ho tia.

Mba lahy ilay zalahy iny na dia any lavitra any aza tsaroina hatrany.
Manana RAY miahy, ary indrindra mitahy ny fiainany an-tsaha sy an-tanàna.
Nahazo vady sy zanaka mendrika, sahaza, nomena ary tena sarobidy.
Tena tretrika satria na ahoana na ho inona dia toa finaritra hatrany na inona hatrehina sy miatra amin'ny tena.

Any izay ilay ilay iny, mba hahazo koa izay hanana an'iny boay kely iny.
sady miketrika, tsy manaiky hazeran'ny tafiotra.
Manana DADA izy mikarakara, mamatsy, manolotra izay tokony ilaina.
Na dia ohatran'ny zaza aza; mahefa miatrika adidy, mijoro ary sahy, tena tompon'andraikitra, lehilahy tokoa.

Betsaka ny olona milaza ho henika hasina fa hafa foana ny .
Miavaka satria an-tanan'i KIAKY, tsy irery tsy adino fa fokiriny mafy, eny, am-pony foana.
Misavoana ny onja indraindray, mafy ny rivotra fa aza manahy fa an-tanan'ny Ray
Na ny fiainana aza dia hoasongadiny hiakatra ambony fa matokia ihany, mifikira koa fa fantany tsara ny hitondrany an'ialahy.

Mafy ny fiainana toa mampitondra ny tseran'ny aina aza idraindray.
Fa raha ny fitiavany toa tena zanany mihitsy, tomoriny akaiky sao very makary.
Ka mihoatra noho ny ataony anie no hanoneran'Ilay Mpamaly ny atao aminy.
Fitahiana tokoa izy hoan'izay mahay mandray, ho tahiana anie i Neny.

Niaka-nidina ny fiainana, tao ny mamy sy nangidy, teo ny mora sy ny sarotra.
Tsy mbola nahatsiaro irery aloha fa teo Ilay TIA, eny teo foana nanohana sy nampisikina hery, nandrisika handroso.
Fony samy irery dia samy nihevitra ny azy fa ankehitriny natambaNy ho iray dia miaraka hatrany.
Miara-manefa sy miantsoroka ny zavatra omeny ary indrindra miara-misitraka ny zavatra rehetra.

Asa raha fiteny ny hoe maro ny zazalahy mitovy aminy, fa tokana tsy hananan-droa lezama ka sarotra avela.
Lehilahy manana ny maha-izy aza satria tsara toetra sy tsara fanahy, tsy manadino ny hafa ilay zalahy.
Rariny loatra izy raha toloran'Andriamanitra saina satria no nahatonga izany.
Mahery sy mitondra hono ireny anarana ireny ka hinoako fa nisy antony izany.

Mamaritra ny fahamboniana ny fahadiovana, ny filaminana, ny fanajana, ny firazanana, ny olona hifandraisana sy ny maro hafa koa.
Fa ny fahaiza-misaotra sy manome , manaiky izay atolotr'Ilay Mpanome sy Mahefa ihany koa.
Izy no anton'ny zavatra rehetra ary Izy no anton'ny zavatra rehetra satria Izy no mahalala izay mahasoa.
Ka ny tsara indrindra ankoatra ny fitiavana dia ny fo mianatra, ny saina manaiky ny fandaharana, eny, na dia sarotra aza mazana.

Tena misy sady hihainana matetika be. Rehefa tsy mahalala fomba isika dia ny ray aman-dreny no mahazo tsiny voalohany. I...
23/04/2025

Tena misy sady hihainana matetika be.

Rehefa tsy mahalala fomba isika dia ny ray aman-dreny no mahazo tsiny voalohany. Izy ireo no manana andraikitra mitaiza sy manolokolo ary mahatonga antsika ho olom-banona. Rehefa miteny hoe ray aman-dreny dia ireo nahabe sy nikarakara rehetra tafiditra ao. Manaraka azy ny tany am-pianarana sy ny fiangonana, na ny toerana hafa mety heverina handraisany fampianarana hafa.

Ny ray aman-dreny anefa matetika tsy mieritreritra ho tompon'andraikitra akory fa ny any am-pianarana na ny any am-piangonana no toroina ho fototra nahatonga izany. Hoy izy hoe: angaha tsy nampianarina anareo izany tany am-pianarana? Na koa hoe: inona fotsiny no atao any amin'ny sekoly alahady any?... Malaky manondro sy manameloka satria izy efa nandrotsaka vola, fananana... ho saran'ny fampianarana ratovin-janany.

=> Rehefa tsy mahalala fomba (savoir vivre, zavatra fanao rehefa misy toe-javatra tokony hanaovana adidy na handraisana andraikitra) dia ataon'ny olona hoe ratsy taiza. Fa rehefa tsy mahay ny fanaom-bahoaka koa dia hametrahany ny fanontaniana hoe fa iza loatra re no nitaiza an'itony na hoe zanak'iza loatra?...

Misy mi-comprendre ihany ny mpiara-monina sy mpiara-belona satria mety misy cas tsy azo hanoarana fa misy koa ilay hoe ilay olona mihitsy na efa hampahafantarina aza no tsy te hahalala na te hivoaka amin'ilay faritra heveriny fa mety, tsy te hitady olana hono(zone de confort). Efa io no mety aminy sady mahazatra azy dia aleony mijanona amin'izao manapin-tsofina.

Mazàna moa rehefa manangana tonkatrano amin'izay ny olona iray dia lasa mahazo teny marary ny ilany satria tsy mahay fomba na ny fanaom-bahoaka. Na tsy mahafantatra ilay iray dia manome tsiny fahatany ny ankilany satria tsy fanao ao amin'izy ireo ilay fomba takiana ataony. Anjary rafitra ady ny mpivady eo nefa zavatra mety azo hifampiresahana sy hifandaminana.

=> Koa mba tsy isian'izany dia tsara raha mianatra foana sy mamantatra ny zavatra rehetra. Mizara amin'ny ao an-trano hoe izao no fanao sy ny tsy fanao.
Raha manambady dia rehefa misy zavatra mitranga dia mba mifanontany hoe raha misy fahafatesana ohatra dia inona no fanao any aminareo dia izao no fanao aty aminay. Raha olona toy inona dia inona no handrasana amin'ny tena...? Ahoana izany no hitondrantsika na hiatrehantsika azy raha izay sy izay? Hatrazaiza no fandraisan'anjara atao rehefa misy situations toy izao sy izao?...

Na io fandraisam-pitenenana io aza dia mila hianarana ny mandahatra azy. Fa tsy hoe izay hitsin'ny vava dia afaka tenenina daholo ho re, na vakiana ho hita. Na ny fihetsika atao amin-toe-javatra iray ihany koa aza dia tokony hianarana mba tsy hoe hafa no avoaky ny vava dia hafa ny ataon'ny tena handrao ho tsarain'ny olona sy ho voatondro molotra. Fa ny tena tsara dia mifandraika amin'ireny re sy hita ireny koa ny ao am-po mba tsy hisy fifampiatsarana ivelatsihy...

Raha fantatra kosa anefa fa manimba ilay hohaseho olona na ho reny dia raha izao manokana aleoko mangina raha tsy mahita fomba hafa hitenenana amin'ilay olona na fihetsika. Fa matetika anefa hono mandratra foana ireny rehefa tsy vonona ilay olona hihaino na handray ny tena. Dia na ny tena hizara ny ao anaty koa mety haratra amin'ny zavatra hita na haseho na havalin'ilay olona hantonina... Fa miezaka manantona aloha dia avy eo samy maka saina dia mifanantona indray fa izany no fanaon'ny mpifankatia. Fa manimba koa ireny raha tazomina dia izaho misafidy foana ny hamoaka na ahoana na ho inona. Fa ny ahy dia mizara amin' ny olona heveriko afaka hizarako aho aloha ny aty anatiko. Mba maivamaivana ny foko. Manoro ahy eo na mifanakalo hevitra amiko, manitsy koa izay olona izay dia avy eo aho mitsakotsako sy mandinika raha tena zavatra mahatofoka ahy ilay miseho. Fa raha zavatra tsy dia manahirana loatra tonga dia ilay olona no hantoniko. Fa alohan'ny hanatonako an' iza na iza dia Ilay Ray ao ambony no hanokafako ny foko voalohany indrindra.

Fa misy ihany koa ny olona no tsy mahalalala afa-tsy ny tenany. Raha misy tranga aminy dia tsy te hahalala akory ny antony mety tsy nanaovanao taminy izy na ny antony tsy nahafahanao fa ny azy ihany no fantany. Dia ianao mety tsy hahalala akory hoe nahasosotra azy izany fa efa manondro manameloka anao izy izay ianao vao gaga ianao nefa izy tsy nanao taminao, ianao miezaka mi-comprendre azy... Fa na inona na inona dia tsara foana miresaka dia ianao sy ilay olona mihitsy no miresaka.

Sarotra ny miaina. Misy koa aza ilay hoe mamela hono izy raha nanao diso na tsy nety taminy kanefa tsy tampotampoka eo dia kay tena mbola marary azy ilay zavatra iny ary averiny foana. Misy indray ilay hoe mahatsapa izy fa tsy mety ny ataony dia mamitra-pihavananana izy. Hay tsy tena izay loatra fa hafa ny ao an-dohany nefa ny tena efa nino sy nandray azy. Iny anefa tena maika ratsy satria tena ho potika tokoa ny fifandraisana mety ho tapaka mihitsy ny tady.

Ho ahy rehefa nifona aho na namela fa hitako hoe manimba ahy ilay fihetsika na teny matetika be. Na mahatsikaritra aho fa tsy mitovy amin'ilay nambara sy naboraka akory ny atao ka hitako fa mamingana ahy. Na ihany koa manao ny tsy zakako sy manao ny tsy tiako foana ilay olona nefa aho efa mba niteny sy nanaiky azy dia asiako fiheverana. Maka elanelana aho ary manapaka fifandraisana raha ilaina mba halaky hikatokana ny feriko ary mba tena ho tanteraka ny fifamelana sady tsy ho sasatry ny hifanazava sy hifanantona lava izao. Mba tsy hoe iny zavatra iray iny foana no ho resaka sy hankarary isaky ny fihaonana na zavatra iray miverimberina nefa hita fa mamotika.

Miezaka aho mba tsy ho ataon'ny hafa saribakoly ny foko na izaho mihitsy. Misy mantsy kay ny olona milaza ho niova, efa mivavaka sy ny mety ho hafa izay azo lazaina fa tsy marina akory ny filazany. Te hamantatra zavatra fotsiny izy dia mitsikilokilo ny fiainan'ny tena. Fa avy eo rehefa tena nisokatra taminy ny tena dia mahatsapa indray na mahita fa hay tsy marina ny resany fa fandrika be. Ny tena mieritreritra hoe niova marina fa hay périodique fa avy eo rehefa ela ny ela kay izy ohatran'ny teo aloha ihany na niaratsy kokoa aza.

=>Tsy misy fiovana marina raha tsy mihainga avy ao anaty lalina ary tsy misy fiatsarana raha tsy ao amin'i Kristy. Mety hoe marary ny fonao sy ny foko fa ho ahy manokana, quand il faut couper le pont et ben, je le coupe. Sao hisy akony amin'ny toe-poko manantona an'Andriamanitra iny. Fa ny mamela dia tena miezaka amin'ny amiko rehetra aho hoe tena mamela tokoa fa tsy manao sarisary.

Dia ny fomba tokony atao atao. Ny dingana rehetra afaka atao, atao hatreo amin'izay vita. Rehefa naheno na nahalala. Fa raha misy tsy fahafahana ka nampandrenesina na nilazana dia miteny satria fahalalam-pomba koa izany. Raha olona no nandrenesana indrindra amin'ny fifaliana fa tsy ny tompon-draharaha dia aleo tsy mitonatonana handrao hampiady na hanafintohina ny tompon-draharaha. Fa raha vao olona akaikin'ny fo aloha na misy fifaliana na hafa dia tokony hahalala foana izy satria mariky ny fifanajana izany ary antoky ny fitohizan'ny fifandraisana. Ary tsy tokony ho olona ivelan'ilay fifankatiavana ho handrenesany fa ny tena mihitsy. Raha tsy afaka antsoina izy dia miresaka. Ary raha naniraka olona niteny taminy dia tsara arahana fanamafisana avy amin'ny tena ihany. Na inona mari-pananany na mari-pahaizany na mari-pahefany... Zony ny mahalala ny aminao satria akaikin'ny fony ianao, ary izy akaikinao. Dia toy izany koa ireo manana lien de sang. Mety hanimba fihavanana raha any amin'ny hafa foana izy no mandre. Na ny hafa koa aza mety hanana ny interprétation-any par rapport amin'ilay relations misy aminareo. Sady manimba izy amin'izay no manapotika indrindra raha zavatra ratsy ny retour azo.

Tena zava-dehibe hoan'ny olona mifandray am-po sy misy rà iombonana satria mpivady na mpianaka na mpiray tampoho na mifamatotra amin'ny fo ny mifampiresaka na mifampiteny mivantana. Aleo mba tsy ny any ivelany no handrendrenesam-baovao fa tena manimba. Mety hanana fiheverana hafa ilay olona tsy nilazana indrindra raha fantany na nofaritana ny fihavanana misy eo amin'ilay manam-baovao sy nilazana vaovao hafa na mety nisy teny nampisokatra ny masony na nikitika ny fo. Tsy misy tsy vitan'ny resaka hoy ny maro fa asa aloha. Raha sanatria ka ren'ilay akaiky ny tena tany amin'ny olona fa voadingana izy na tsy nolazana mihitsy dia miresaha. Mialà tsiny mba tsy hieritreretany zavatra hafa fa ratsy ary mety tsy hampoizina ny tohiny fa tsy sanatria avonavona indray no asetry izany na fanamelohana ny hafa ho tompon'antoka satria nanakorotana. Ny marina mantsy tsy maintsy miseho na ela na haingana na avy amin' ny tena na avy any ivelany. Dia hiandry rahoviana izany? Ny fotoana mety manampy hiatrika fa samy manana ny fomba fiatrehany zavatra io mihainga amin'ny fahatsapana sy safidy.

=> Raha misy miresaka zavatra aminao dia mialohan'ny hamadihanao ny resany ho zavatra hafa dia ezaho fantatra sy takarina aloha raha azonao tsara ny tiana hambara mba tsy hanimba zavatra, indrindra ny fihavanana fa tena ratsy tokoa raha ity farany no ho voakitika. Ary aza mitsaratsara na miteny ny tsy tenenina, mihevitra ny tsy voalaza fa tena manapotika. Raha misy fahatsapana hafahafa anefa tonga dia hifampiresahana amin'ny hafa ihany sao diso fihevitra fa manimba koa izany raha tsy afaka hifanantonana ilay olona hananana izay toe-po izay. Azo atao koa ny mamerina miresaka sy manadiady ilay olona nahazoana loharanom-baovao sao ianao no diso fandray. Raha tsy misy moa ny fifanazavana dia isika nomen'Andriamanitra saina handinika sy fo hahalala ny tokony atao ka afaka mihevitra izay mahasoa ihany mihainga amin'izay eo, indrindra amin'ny fitarihin'ny teniny.

Misy ny olona tsy mivaky loha ary tsy ataony makarary fo ny zavatra iray fa misy tena sensible satria tena olon'ny fo izy. Fa matetika marary foana ary mampanontany tena ny fandrenesana zavatra momba ny akaikin'ny fo sy ny tiana raha avy amin'ny hafa fa tsy avy aminy mivantana nefa izy afaka mba nilaza na nanazava ihany. Marary ny hoe olom-patatra aza nilazana kanefa izaho lien de sang na misy lien du coeur tsy nahalala. Mety hieritreritra aho hoe niatsarana ivelatsihy hatramin'izay na fahavalo na nofoanana fisiana... Enjana be ny communications satria herin'ny fahalalam-pomba sy fihavanana ary fifankatiavana. Samy hafa anefa ny informations sy ny communications.

=> Tsy misy hifandraisana amin'ny statuts sociaux ry zareo ny fihavanana sy fifankatiavana an. Izay efa resaka chiffre hampidirina sy avoaka. Miankina amin'ny eo an-tanana. Ka aleo tsy resa-bola na fananana na position... no hanimbana fifandraisana. Fa ny fahalalam-pomba tsy fanabezamboho hahazoana note any am-pianarana fotsiny fa tena hoenti-miaina satria mamaritra fihavanana. Mamaritra fifandraisana amin'ny olona roa sy ny manodidina azy. Mamaritra ny fifankatiavana eo amin'ny tena sy ny hafa.

Ao an-tsaina mieritreritra moa am-po mihevitra lalina. Am-pitiavana be.



Izay mahay miaina ihany no tafavoaka. Indraindray ilaina ny tsy maka lagy fa tsy ny zavatra rehetra no mety hanaovana izany. Ary ilaina koa ny manapaka tadim-pifandraisana rehefa tsy mety mba tsy hisian'ny fifanimbana rehefa tokony atao.

Nb: tandremo sao ny olona hafa no mahatonga ny tena hisaraka amin'ny akaikin'ny fo sy ny tiana. Fa raha tena tsy maintsy hisaraka dia aleo tena fandresen-dahatra mihainga avy ao anaty hoe tsy mety ilay izy. Fa tsy sanatria saina nomen'ny hafa koa.





Mirary soa foana.

Address

Antananarivo
103

Telephone

+261329948493

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mampita Soa-Arts posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share