Soa ho antsika

Soa ho antsika Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Soa ho antsika, Home decor, Mandritsara, Mahajanga.

04/11/2024

ASIANTSIKA RESAKA KELY NY MOMBA NY FIVAROTANA ANDROANY.

MAHAIZA MANDRAY CLIENT
MITADIAVA HEVITRA RAHA TE HAHALAFO FA TSY 200Ar NY CLIENT NAO KOA ATAONAO JUMBO FA METY HIJERY TOERANA HAFA IZY RAH IZANY FOANA MAHAZO AZY AMINAO

31/10/2024

AZA ATAO SAKANA HANDROSO NY OLANA FA ATAOVY HO FITAOVANA AZO ANTOKA MITONDRA MANKANY @ FAHOMBIAZA IZY ITADIAVO HEVITRA EE!!

30/10/2024

NY TENA MAMPAHOMBY ANIE ZAO DIA NY MIASA TENA IHANY EE, VITSY NY MPAMPIASA HIJERY IZAY HAMPIVOATRA ANAO FA NY AZY NO AMPITOMBOINY

26/07/2024

ATAOVY TSAPAN'IREO MANODIDINA FA OLONA MIAVAKA IANAO ,OLONA TSARA IANAO FA TSY OLON-KOLOMPOANA AKORY

Sahona iray no natao tao anaty vilany misy rano ary natao ambony fatana misy afo mirehitra. Ny nahagaga tsy tonga dia ni...
28/05/2024

Sahona iray no natao tao anaty vilany misy rano ary natao ambony fatana misy afo mirehitra. Ny nahagaga tsy tonga dia niala tao ilay sahona fa niezaka ny s'adapter tao izy mandra-pahangotraka ny rano. Rehefa efa iny hanomboka hangotraka iny ny rano vao nitsoaka sy nitsambikina izy kanjo tsy afaka nitsambikina intsony satria efa reraka sy lany tamin'ny ezaka ni-s'adapter tamin'ny hafanan'ny rano ny heriny ka dia maty tao.

Raha hanotaniako ianao hoe inona ny nahafaty ilay sahona dia maro amintsika no mety hamaly hoe ny rano mangotraka. Ny tena marina anefa dia tsy ny rano mangotraka loatra fa ny tsy fahaizany nandray decision hoe oviana sy taiza no tokony hitsambikina niala tao anaty rano fa niezaka niaritra tao ihany.

Maro amintsika ny tratran'izy io. Betsaka no miaritra ny tsy mety hataon'olona antsika. Betsaka ny miaritra mafy amin'ny situation misy antsika.

Ekeko ary amporisihina isika mba hanana faharetana amin'ny fiainana sy ny zava-misy fa ilaina kosa ny mahay mandray fepetra na maka decision mifanaraka amin'izany fa sao tara loatra ka sao dia tratran'ny hoe tsy afa-manohatra intsony eo.

Raha avelantsika hanararaotra antsika ara-batana, ara-pihetseham-po, ara-bola, ara-panahy na ara-tsaina ny olona dia mbola hanao izany foana izy ireo. Mahaiza mamantatra ny fotoana tokony hanapahan-kevitra hoe rahoviana no tokony hitsambikina. Mahaiza mitsambikina dieny mbola manana ny hery ka ialao raha hitanao fa tsy hovitana...

Zarao amin'ny hafa fa Soa ho anao
🔥METEZA HO FANILO HO ANY HAFA🔥

Aza mifamitaka hoy aho fa misy maranitra noho ianao anie any eee😂
09/04/2024

Aza mifamitaka hoy aho fa misy maranitra noho ianao anie any eee😂

04/04/2024

Rehefa mahazo vola ianao

Te hampianatra anao hihary kely aho satria izay no tsy ampy amintsika mahatonga antsika tsy manam-bola na efa ho 10 taona niasana aza.

Rehefa mahazo vola ianao:
Mety avy amin'ny karamanao
Mety avy amin'ny orinasanao
Mety avy amin'ny Ray aman-dreninao
Rehefa nahazo vola ianao , na vola be na vola kely dia mianara mizara.

Aza laniana amin'ny sakafo daholo
Aza laniana amin'ny orinasa daholo
Aza laniana amin'ny haingitraingitra daholo.

Makà partie kely ho an’ny tenanao aloha : mba hampiakaranao ny fahalalanao ka ahatonga anao ho kinga saina kokoa. Satria raha androany ianao afaka mampiditra 1 000 000 ar dia afaka heritaona mba afaka mampiditra 10 000 000 ar. Izany hoe mila mivoatra ny fahalalanao.

Faharoa ; makà hampivoaranao ny fihodin’iny vola iny.
Raha nomen’olona no nazahoana azy dia mamorono fidiram-bola
Raha karama dia hamorony fidiram-bola hafa
Raha efa orinasa dia ampitomboy ny actifs ao amin'ny orinasanao.

Ny mampahantra dia vao manana 1 000 000 ar dia sakafo, fitsangatsanganana, haingitraingitra dia lany ka tsy mivoatra ny fiainana avy eo.

21/03/2024

Meteza ho vahaolana tsara ho an'ny hafa hatrany @ androm-piainanao raha mbola misy koa ny azonao atao

MIARAHABA TOMPOKONoho ny fangatahan'ny maro amintsika dia naverina ilay fampiofanana ka ho anareo nangataka sy izay magn...
01/03/2024

MIARAHABA TOMPOKO

Noho ny fangatahan'ny maro amintsika dia naverina ilay fampiofanana ka ho anareo nangataka sy izay magniry ny hisitraka io fampiofanana io dia manomboka ny Alatsinainy 4 Mars 2024 izao ndray Ary ny fotoanan-tsika eee, ao amin'ny MP misoratra anarana ka aza tara fa voafetra ho 20 ihany no raisina 3 andro hatrany ny faharetany

MIARAHABA ATSIKA REHETRA MPANARAKA NY PEJY EEE

Hatramzay ny pejy dia nanolotra ny soa sy ny tsara ho antsika foana ary Mbola manohi izany hatramizao.Izahay dia mahatsapa fa mihasarotra ny fiainana ka ilaina ny fifanampiana.
Koa manomboka @ herinandro ambony io isika dia hanolotra fampiofanana ( Formation) ho an'ireo izay te hampivoatra ny fiainana satria mila mifandanja @ hamafin'ny vidimpiainana ny fari-piainantsika.

Ireto ny avy ny hampiofananay ho anao zay liana ho amin'izany

-Fomba fivarotana mba hahomby sy hitazomana client ( betsaka amintsika no mivarotra fa tsy ampy traikefa amin'izany)

-Ny hamoronana asa mianinga @ 0Ar (betsaka ny tsy manambola ka mepetraka tsy mahita atao,natao ho anao ity Formation ity)

-Ireo zay manambola hampiasaina nefa tsy mahita izay ampiasana azy dia afaka manampy anao izahay ao anatin'io fampiofanana io.

Raha liana amin'ireo ianao Dia midira Mp avy hatrany fa mandray anao izahay @ Zao voalohany izao dia olona 20 ihany aloha no raisina ka mahaiza manararaotra eee!

28/02/2024

MANDEHANA MORA FOANA EE! AZA MANAIKY TAITAIRIN'NY OLONA ZANY FA NY TANJONAO HAFA NY AZY HAFA SAMY OLONA FANALAHIDINY EE, MITANDREMA FA NAMANA IO MISY MPAMADIKA EIN!!

22/02/2024

AZA MIJERY AZA MIHAINO OLONA ZANY, FA EZAKAO AMAFISO,LALANAO TOHIZO, TANJONAO TRATRARO,ARY SAHIA MIROSO

21/02/2024

TSY MIHEMOTRA NA OVIANA NA OVIANA

Tsy misy renirano mikoriana miverina na oviana na oviana ; mikoriana mandroso hatrany ny rano .

Ianao koa ry sakaiza , mandrosoa fa aza mihemotra . Aoka tsy hisy zavatra avelanao hahasakana anao tsy handroso ho amin'ny tanjona tsara .

Aza miherika amin'ny lasanao tsy nahomby ; banjino amin'ny fanantenana ny hoavy miaraka amin'i Kristy Ilay Tompon'ny finoantsika .

Ndao handroso hatrany ry sakaiza , " fa isika tsy naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana . " Hebreo 10 : 39 a .

Mahereza , matokia .

Address

Mandritsara
Mahajanga

Telephone

+261347259001

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Soa ho antsika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category