Hazo Design et Créations

Hazo Design et Créations Ara malagasy.

01/04/2026
23/03/2026

NY ANY AMINAY 🌟
Fiadanana 💥 Commune Sabotsy Manjakavahoaka, District Andramasina ✨
📸:Aina Michel Photographe

19/03/2026

NY ANY AMINAY 🌟
Vohitsarahasina 💥 Commune Anosibe Trimoloharano,, district Andramasina ✨

18/03/2026

NY ANY AMINAY 🌟
Antsenakely 💥 Commune Sabotsy Manjakavahoaka, District Andramasina ✨
📸Tah randjiam Tahiana

24/02/2026

Mijanona aty ambanivohitra ihany tsika 💚🤍❤🇲🇬
Mandainga izay tsy ho tamana 😁

19/02/2026

NY ANY AMINAY 🌟
Tsarasaotra 💥 Commune Antanimandry,, district Antsirabe 2✨

23/01/2026

NY ANY AMINAY 🌟
Ambohimanga 💥 Commune Andohariana,, district Andramasina ✨

29/11/2025

Teto no lavo 😥

Teto tokoa ny tena no lavo :
Dia nihomehezana sy nambaniana,
Nively aponga ianao faly sy ravo :
Fa namely ahy tampoka ny fahoriana,

Dia teto tokoa ny tena no lavo :
Dia nandihizinao narahin-damako,
Ka noesoina aho fa hoe mavomavo :
Ny fara hehinao nanakoako,

Kanefa dia eto koa no hitsanganako :
Ary hanohizako izay nokasaiko,
Hiezaka hiasa, hahery ny tanako :
Hanao vy very izay tratry ny aiko !

Dia eto tokoa aho no hiarina :
Na aza ny tena hifohafoha volo,
Tsy ho kivy mihitsy aho hanao ny marina:
Amin'ny fiainako iray manontolo !

Dia teto ilay toerana izay nahalavo :
Ary namingana ahy hikodia,
Ireo fahavaloko niravoravo :
Dia miramirana ireo tsy tia,

Fa eto no hasandratra anefa ny tena :
Latsaka am-bovoka vao maika mihiratra,
Azo oharina amin'ny volamena :
Manana hasina mamirapiratra,

Koa aza mifaly mahita ahy voa :
Dia mieritreritra ho afa-maina,
Fa ny ampitso tsy hainao tokoa :
Tsy fantatrao izay hiseho maraina !

* masina ny tenindrazana 🤗

in " aingam-betsovetso 😍 "
16/11/2025
(19:27)

Malamamaina😍, Ankadivavala sy ny manodidina -Commune rurale Miandrandra, distrikan'Arivonimamo

21/11/2025

Ny hasambarako (*) and II

Tsy vola be miraraka na koa vatosoa :
Tsy irony hoe tahiry mitoetra anaty banky,
Fa ny ahy ny hasambarana dia tsotra be tokoa :
Ilay miaina tony, fotsiny dia ampy !

Tsy vola mikararana mitobaka tsy miato :
Tsy irony volamena maro be mpaniry,
Fa ny ahy ny hasambarana : ny mandry ivohom-bato,
Anilan'ilay tiako, lavitra hirifiry !

Ny anao ny hasambarana dia tsy haiko ho faritana :
Fa ny ahy aloha dia tsotra, tena mora vidy,
Dia ny hoe salama, dia izay no tsara vintana :
Afaka miasa, mamita ireo adidy !

Averiko eto farany hoe...

Ny ahy ny hasambarana tsy vola anaty gony :
Tsy ilay an-tapitrisa nonofisinao,
Ny tena hasambarako dia ny saina tony :
Na mafy sy manonja izao fiainana izao !

in " maso lavitra 🤗 "
20 Novembre 2025
(18:41)

(*) pika sary tazan-davitra tanàna iray eo Ambariova eo 😍, tiako kosa izy ity 🙏

Address

Ampitatafika

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Hazo Design et Créations posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category