17/05/2026
Rendez-vous mardi à Roxy ♥️
Ho anao izay te hiaina SAISON vaovao ara-pitiavana sy ara-panambadiana, na célibataire ianao na couple na efa manambady na nisara-bady, tena natao ho anao ity fotoana manokana ity☝️
Fantatrao ve fa tena mahaliana an’Andriamanitra ny hahombiazanao ara-pitiavana sy ara-panambadiana, nefa ihany koa tena mahaliana an’i satana ny hijalianao sy ny haharàva anao amin’io sehatra io ?
Ho anao izay te hiaina fiainam-pitiavana sy fanambadiana mahafinaritra, feno fahatsarana sy voninahitra araky ny planin’Andriamanitra☝️
Ho anao célibataire izay tsy te hanaonao foana intsony ara-pitiavana fa te hiandry ilay anjara tsara sy tena izy amin’izay
Célibataire ve ianao na couple fa tsy te hijabaka sy ho diso safidy mandrakizay ?
Efa anaty fanambadiana ve ianao fa miaina karazana problèmes conjugaux izay tsy hainao hoe inona no tokony atao ?
Ho anao izay mbola mitondra ratra ara-pitiavana hatramin’izao ka te ho sitrana tanteraka
Misy olona tena tinao sy irin’ny fonao ve amin’izao fotoana izao fa tsy hainao hoe inona no tokony atao ?
Ho anao izay efa victime na trahison sy fampirafesana ka simba sy naratra ianao tao anatin’ilay relation. Inona no tokony atao ?
Ny fijangajangana ihany ve no conditions de divorce raha araky ny baiboly sa mety misy zavatra hafa ?
Ho anao izay te hitombo fahalalàna sy fahatakarana amin’ny tontolom-pitiavana sy ny fanambadiana mba ahafahanao mahay mamindra tsara amin’ny hoavy
Hianatra ihany koa isika amin’ity partie 2 ity momba ny tontolon’ny SEXUALITÉ
Ary ho anao izay te hitombo amin’ny finoana, te handroso ara-panahy ary te hiditra ny lanitra indray andro any
Tena mahasoa anao ny fahatongavanao amin’ity PARTIE 2 ity
Mitondrà namana sy ankohonana izay fantatrao fa tena mila an’ity fotoana manokana ity☝️
DIEU MANIFESTERA SA GLOIRE DANS TA VIE AMOUREUSE ET DANS TON MARIAGE🙌
RÉUNION DE PRIÈRE POUR TOUS AVEC 4LIFE
Mardi 19 mai à 16h30 au Roxy Antaninarenina
Tsy hanavahana na iza na iza na avy aiza ianao na avy aiza
Tsy misy vidim-pidirana