12/05/2026
Mbola ato am-po 💛
Tapitra ny Foire Internationale de Madagascar - FIM 2026, fa ny hafaliana sy ny émotion navelany ato am-po mbola mafana ☺️
Te haka fotoana kely aho hiteny MISAOTRA anareo rehetra izay nandray anjara tamin’ity aventure ity.
● Misaotra anareo mpitsidika rehetra
Na nividy ianareo, na nizara, na nanome torohevitra, na nandalo niresaka kely fotsiny aza… tena faly ny foko nahita anareo.
Fa mba tsy azoko mihitsy aloha ilay ianareo mandalo dia manafosafo carnet 🤣
Dia mbola mifofona kely an’ilay page eo ihany koa 😭😂
Mbola henoko tsara mihitsy ilay feonareo mikiakiaka kely rehefa mandray an’ilay carnet hoe :
“ooooh tsara beee”
● Ho an’ireo efa mpanjifa hatrizay izay nandalo nanao coucou fotsiny… misaotra betsaka 🙏🏽
Tsy voatery hividy vao manohana.
Indraindray ilay hoe “nandalo hijery an-ji fotsiny aho” dia efa mampahery be.
Ary ho anareo izay tena nanao déplacement haka carnet iray… na maromaro mihitsy aza 🥹
Ianareo no manome elatra ahy hanohy.
● Ho an’ireo mpanjifa vaovao izay nanome fahatokisana sahady.
MISAOTRA INDRINDRA ❤️
● Ary farany, ho anareo rehetra nanohana akaiky na lavitra, tamin’ny message, partage, encouragement,…
Ianareo no hery mangina miasa ato ambadiky Masova
Satria isika miaraka no manampy ny vehivavy hifandray indray amin’ny tenany, handamina ny fiainany ary hitombo tsikelikely amin’ny alalan’ny journaling sy papeterie ✨
Mitohy ny dia!
Hifankahita indray amin’ny aventure manaraka
💛