Soa Kaly

Soa Kaly La cuisine est dans notre cœur.

‎ Faly miarahaba antsika rehetra‎ mpanaraka ny pejy SOAKALY👋💗!‎‎🥟 Aza misalasala manao commande an'ireo NEMS matsiro be ...
30/08/2026

‎ Faly miarahaba antsika rehetra
‎ mpanaraka ny pejy SOAKALY👋💗!

‎🥟 Aza misalasala manao commande an'ireo NEMS matsiro be au viande 😋❤️
‎💰 01 PACK = 10.000 Ar
‎Ao anatin'ny pack : 🥟 10 pièces de nems au viande
‎🥗 Salade
‎🥜 Sauce voanjo
‎🌶️ Sakay (ho an'izay mihinana)
‎📌 Prise de commande : 2 jours à l'avance
‎💳 Acompte : 50%

‎📍 Lieu de récupération : Andombontany, Ankadikely Ilafy
‎🛵 Livraison GRATUITE eto amin'ny : 📌 Sabotsy Namehana
‎📌 Ankadikely Ilafy

‎📞 034 49 169 41
‎✨ SOAKALY — Ny tsiro tianao, vita am-pitiavana! ❤️
‎👉 Commandio dieny izao! 🥰

Faly miarahaba antsika rehetra ôh 🥰💗.Inona izao no tinareo ampiarahana @ ito nem matsiro be ito ?
29/08/2026

Faly miarahaba antsika rehetra ôh 🥰💗.

Inona izao no tinareo ampiarahana @ ito nem matsiro be ito ?

‎Faly miarahaba antsika mpanaraka ny pejy Soakaly rehetra 👋 💗.Recette bretzel indray ary no zaraiko antsika androany.Aza...
06/07/2026

‎Faly miarahaba antsika mpanaraka ny pejy Soakaly rehetra 👋 💗.Recette bretzel indray ary no zaraiko antsika androany.Aza adino ny manisy j'aime sy commentaire ary manasa ny namana haranaraka ny pejy.Ka araho finaritra ary.

‎Akora ilaina :
‎🍚500 g lafarina

‎🍚07g levure boulangère

‎💦300 ml Rano matimaty

‎🧈30g dibera natsonika

‎🍚1 càs Siramamy 1 sotro lehibe

‎🧂1 sotrokely sira

‎Ho an'ny fandroana amin'ny bicarbonate

‎💦Rano 1 litatra

‎🍚50 g bicarbonate de soude 50 g

‎Ho an'ny famaranana

‎Tamenak'atody 1

‎🥛1càs ronono

‎🧂sira vaingany

‎Fikarakarana

‎🥨Afangaroy ny rano matimaty sy ny siramamy ary ny leviora.Omena repos 10 minitra.

‎🥨Ampio lafarina sy ny sira ary ny dibera natsonika. Volavolao (pétrissez) mandritra ny 8–10 minitra mandra-pahazoana koba malefaka sy mitambatra tsara.

‎🥨Sarony ny pâte ary avelao hitombo mandritra ny adiny 1, mandra-pitombo avo roa heny.

‎🥨Zarao ho ampahany 8 ny pâte .Ahodino ho tady lava (50–60 sm eo ho eo) ny tsirairay, avy eo amboary ho endrika bretzel.

‎🥨Ampangotrahina ny rano 1 litatra miaraka amin'ny bicarbonate de soude. Alona ao anatin'izany mandritra ny 20–30 segondra ny bretzel tsirairay, avy eo tatahana.

‎🥨Apetraho eo ambony plaque de cuisson efa nosorana menaka na dobera .Hosory amin'ny fangaro tamenak'atody sy ronono, avy eo afafazo sira vaventy.

‎🥨Andrahoina ao anaty lafaoro efa nafanaina à 200°C mandritra ny 12–15 minitra, mandra-pahatonga azy ho dorée tsara ny lokony.

‎Torohevitra:
‎Raha tsy tianao ny sira vaventy dia azonao soloina fromazy voakiky...Dia izay indray ary no afaka natolotro ho antsika t@ ity androany ity.

04/07/2026

Sorato ao @ commentaire ary ny sakafo tena tinareo indrindra 💗!

‎Faly miaraha antsika mpanaraka ny pejy Soakaly rehetra 👋💗. Androany isika dia hianatra hanamboatra cookie au chocolat.K...
01/07/2026

‎Faly miaraha antsika mpanaraka ny pejy Soakaly rehetra 👋💗. Androany isika dia hianatra hanamboatra cookie au chocolat.Ka aza adino ary ny manisy j'aime sy manasa ny namana hanaraka pejy Ary manisy commentaire.Ka manaraha finaritra ary.

‎Ireto avy ary ny akora ilaina @ izany
‎🧈85 g dobera
‎🥚01 atody
‎🍚85 g siramamy
‎🍫100g chocolat
‎🧂 01 tsongo sira
‎🍚1càc levure chimique
‎🌿01 gousse de vanille ou 1 sachet sucre vanillé
‎🍚150 g lafarina

‎Fomba fikarakarana anazy :
‎🍪Tetehina madinidinika ny chocolat
‎🍪Afanaina à 180°C ny lafaoro
‎🍪 Afangaro anaty bol anankiray n'y lafarina+levure+sira+chocolat (mélange 1)
‎🍪Atao ao anaty bol anankiray n'y dobera+siramamy+atody+vanille dia afangaro tsara (mélange 2)
‎🍪Arotsaka tsikelikely ao anatin'ilay mélange an'ilay (mélange 2) ilay (mélange 1) dia afangaro mba hitambatra tsara
‎🍪Asiana dobera ny plaque de cuisson dia maka 2càs @ ilay pâte à cookie dia somary elanelanina kely satria mitombo ilay cookie mandritra ny cuisson au four.
‎🍪Andrahoina mandritra ny 10 minitra ny cookie antsika à 180°C.

‎Dia izay indray ary no azoko natolotra ho antsika t@ ity androany ity .Mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra 👋💗.

‎Faly miarahaba antsika rehetra mpanaraka ny pejy Soakaly 👋💗.Hianatra hanamboatra "pastel sénégalais" indray isika @ ity...
17/06/2026

‎Faly miarahaba antsika rehetra mpanaraka ny pejy Soakaly 👋💗.Hianatra hanamboatra "pastel sénégalais" indray isika @ ity androany ity.Ka aza adino ary ny manisy j'aime ny pejy,manisy commentaire ary ny mizara @ hafa.

‎Ireto avy ny akora ilaina @ izany :

‎Pâte
🍚‎500g lafarina
🧂1/2càc sira
🍚‎1/2 sachet levure chimique
🍶‎2càs menaka
🧈‎50 g dobera
🥛‎25cl lait tiède

‎Fomba fikarakarana azy :
‎🥟Atambatra ao anaty bol anankiray n'y lafarina+levure+sira +dobera .Dia kosehina @ tanana mba hamasipasika .
‎🥟Arotsaka tsikelikely ilay ronono matimaty fa tsy hatao mamay loatra.Dia afangaro tsara mba ahazo pâte homogène sy tsy miraikitra.
‎🥟Arotsaka ilay menaka dia avy eo kosehina ihany.Dia omena forme bory² .Dia saromana torchon mandritra ny adiny 1.

‎Farce:
🫑‎01 poivron
🧅‎01 tongolo be
🥕‎01 carotte
🥔‎01 ovy
🌶️‎1càc sakay maina voatoto(afaka tsy asiana)
🧄‎3 hasiny tongolo gasy
🐟‎250 g filet de poisson na thon
‎1càc sakamalaho vovony
🧂‎sira sy dipoavatra
🌿‎1 branche thym
🍅‎1càs tomate concentrée
💧‎10cl rano
🌿‎01 feuille de laurier

‎Fomba fikarakarana azy :
‎🥟Andrahoina ilay filet de poisson na tsihifina ilay rano @ thon raha toa ka thon en conserve no novidinao..Rehefa masaka ilay filet dia potipetahana
‎🥟Tetehana ho majinijinika ilay poivron,tongolo,carotte,ovy .Toy izany kou ilay tongolo gasy .
‎🥟Hafanaina ny menaka ao anaty lapoaly .Dia avy eo arotsaka ao ilay trondro dia asiana sira sy dipoavatra.Dia avy eo arotsaka ao ilay ovy ,karôty,poivron,tongolo,tongolo gasy .Rehefa vita izay dia arotsaka ao ihany kou ilay tomate concentrée .Dia asiana rano @ zay .Dia arotsaka ny thym, sakamalaho , feuille laurier Ary asiana 1/2 càs siramamy analana ilay marikivy.Dia raha mihinana sakay enao dia asiao sakay.Dia aroharoina mandrampaharitra azy.

Ao @ commentaire ny tohiny

‎Faly miarahaba antsika mpanaraka ny pejy Soakaly rehetra 👋💗.Androany isika dia hianatra hanamboatra œuf écossais.Ka aza...
16/06/2026

‎Faly miarahaba antsika mpanaraka ny pejy Soakaly rehetra 👋💗.Androany isika dia hianatra hanamboatra œuf écossais.Ka aza adino ary ny manisy j'aime sy manisy commentaire ary mizara @ hafa.

‎Ireto avy ny akora ilaina @ izany
‎🥩500g viande hachée
‎🥚08 atody
‎🥚02 tamavon'atody
‎🍚50g lafarina
‎🍚100g chapelure
‎🍶menaka fanendasana
‎🧂sira sy dipoavatra

‎Fomba fikarakarana anazy
‎🥚Mampangotraka rano dia arotsaka ao ilay atody.Andrahoina 15 mn .Rehefa vita izay dia esorina eo ambony afo .Ary avelao ao anatin'ilay rano mafana 5 mn .Izany vao hatao anaty rano mangatsika dia asorina ny akorany.
‎🥚Maka baolina anankiray dia arotsaka ao ilay viande hachée asiana sira sy poivre.Afaka asinareo epices hafa ihany koa.
‎🥚Alaina ilay œuf dur dia ampandalovina ao anatin'ilay lafarina.Dia avy eo fisahana @ tanana ilay viande hachée.Dia hatao eo ampivoany ilay atody.Dia fonosina tsara @ ilay viande hachée mba tsy ho hita.
‎🥚Vita izay izay dia ampandalovina @ ilay tamavon'atody efa kopahana ilay izy .Dia avy eo ampandalovina ao anaty chapelure ny farany .
‎🥚Afanaina ny menaka dia endasina ilay ilay oeuf écossais antsika.Rehefa mahazo loko tsara dia atao eo ambony papier absorbant mba hitroka ilay menaka.Dia aroso @ izay .

‎Dia izay indray ary no afaka atolotro ho antsika @ ity androany ity .Fa mirary tontolo andro mahafinaritra ho antsika rehetra 💗

15/06/2026

Salama daholo ôh👋💗.Mba omeo soso-kevitra laoka à petit budget ry zareo ah?Misaotra mialoha

‎Faly miarahaba antsika rehetra mpanaraka ny pejy indray ny tenako 👋💗.Androany aho dia hizara amintsika ny fanamboarana ...
14/06/2026

‎Faly miarahaba antsika rehetra mpanaraka ny pejy indray ny tenako 👋💗.Androany aho dia hizara amintsika ny fanamboarana ny"pain perdu".Ka aza adino ary ny manisy j'aime ,manisy commentaire ary manasa ny namana hanaraka ny pejy.Ka araho finaritra ary 🥰.

‎Ireto avy ary ny akory ilaina @ izany :
‎🥚2 atody
‎🥛25cl ronono
‎🍚50 g siramamy
‎🧈10g beurre
‎🍞6 tranches pain de mie

‎Fomba fikarakarana azy:
‎🥖Kapohina miaraka ny atody+siramamy+ronono
‎🥖Lomana kely ao anatin'ilay fangaro n'y m**o
‎🥖Vita izay dia endasina @ lapoaly izay nasiana dobera kely .Dia somary avadika mandrapahazo loko anazy.Dia aroso mafana.

‎Dia izay indray no azoko atolotra ho antsika @ ity androany ity .Dia mirary Alahady mafinaritra ho antsika rehetra 💗

14/06/2026

Address

Antananarivo

Telephone

+261344916941

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Soa Kaly posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share