22/04/2024
Nanofy izaho hoe :
• MALAGASY isan'andro
• MALAGASY daholo ny gasy
• MALAGASY izao tontolo izao
Ny sainam-pirenena dia manan-danja satria fototra ijoroan'ny fisainan'ny vahoaka ao aminy ary fitaratra ahafantarana azy ireo.
Ny an'ny MALAGASY manokana dia FOTSY (FAHADIOVANA), MENA (FAHAMASINANA), MAITSO (FANANTENANA)
Raha ho an'ny marika Fijery Malagasy dia mifototra amin'izay fisainana izay saingy maneho hevitra fanampiny :
- Ny fotsy miendrina "code barre" manambara fa iray ihany ny gasy kanefa samy manana ny mampiavaka azy.🤗
- Ny mena miendrika ratra dia ilay famonoana ny hasin'ny tanindrazana nandritry ny taona maro nifandimby.😤
- Ny maintso maneho ireo mampiavaka an'i Madagasikara sy ny Malagasy dia ny biby (Ragidro) sy zava-maniry (Baobab) tsy misy afa-tsy eto, ny kolotsaina miendrika Rova ary ny LOGO manamarika ny Vakoka iraisam-pirenen'ny UNESCO izahay hananantsika 5.💪
- Ny mavo lokon'ny masoandro, mariky ny fahazavàna. Mba ho anatin'ny fahazavàna ny zavatra rehetra atao, ny fisainana ary koa ny fiainana.🔥