22/02/2026
...
'Ndao fantarintsika ary 😉
Madagasikara🇲🇬: Tany Manan-karena Fôsily Miavaka 🌍
Madagasikara dia manana toerana fôsily miavaka manomboka amin’ny vanim-potoana Permien ka hatramin’ny Quaternaire, ahitana fahasamihafana lehibe amin’ny dinôzôro, biby mandady an-dranomasina, gidro (lémuriens) ary zavamaniry tranainy.
Lemak'i Mahajanga (Avaratra-Andrefana) : Ahitana fôsily avy amin’ny vanim-potoana Crétacé ambony, misy dinôzôro, voay ary sahona, sns...
Lemak'i Morondava (Andrefana) : Toerana fôsily avy amin’ny Jurassique, ahitana ammonita, biby mandady ary fosilin’ny cynodontes razamben’ny biby mampinono.
Formation de la Sakoa (Fiforonana)(Atsimo-Andrefana) : Manan-danja amin’ny fandalinana ny biby miaina an-drano sy an-tanety ary ny zavamaniry tamin’ny vanim-potoana Permien.
Toerana hahitana Subfossiles (Avaratra-Andrefana) : Ahitana taolan’ny gidro goavam-be, hippopotama malagasy ary vorona goavam-be toa ny Aepyornis tamin’ny vanim-potoana Holocène.
✅. Ireo toerana ireo dia tena ilaina amin’ny fahatakarana ny fivoaran’ny biby sy zavamaniry teto amin’ny nosy ary ny tantaran’ny fahasamihafan’ny zava-manan’aina eto Madagasikara.🌍
🇲🇫 Madagascar : Une Terre de Fossiles Exceptionnels 🌍
Madagascar abrite des sites fossiles uniques, allant du Permien au Quaternaire, avec une riche diversité de dinosaures, reptiles marins, lémuriens et plantes anciennes.
Bassin de Mahajanga (Nord-Ouest) : Fossiles du Crétacé supérieur, incluant dinosaures, crocodiles et grenouilles.
Bassin de Morondava (Ouest) : Sites du Jurassique avec ammonites, reptiles et fossiles de cynodontes, ancêtres des mammifères.
Formation de la Sakoa (Sud-Ouest) : Cruciale pour l’étude des amphibiens et de la flore préhistorique du Permien.
Sites Subfossiles (Nord-Ouest) : Restes de lémuriens géants, hippopotames malgaches et oiseaux géants (Aepyornis) de l’Holocène.
Ces sites sont essentiels pour comprendre l’évolution de la faune et de la flore de l’île et l’histoire de la biodiversité
📷 Formation de Berivotra- Site Fossilifère dans le Bassin de Mahajanga