Im'tsar KIDS

Im'tsar KIDS "Im'tsar KIDS" est une page consacrée aux fournitures scolaires et aux articles personnalisés pour enfants.

Mitondra sakafo avy any an-trano sa mividy ao am-pianarana? 😌Anisan'ny tena manahirana antsika mihitsy ny resaka sakafo ...
07/09/2025

Mitondra sakafo avy any an-trano sa mividy ao am-pianarana? 😌

Anisan'ny tena manahirana antsika mihitsy ny resaka sakafo ho entina mianatra ☺️🥹

Samy manana ny mety aminy tsika fa
✅ Raha somary be atao sy repotra lava dia aleo manao cantine any am-pianarana satria any azo antoka hoe mahavita manao sakafo ara-dalàna sy ara-pahasalamana ary miovaova isan'andro 🥹 🥰 Aliment complet sy équilibré koa matetika no ataon'izy ireny ☺️
Indraindray mantsy isika sahirana amin'ny asa dia manjary mijery izay sakafo mora vita sy atao maikamaika, na sakafo efa tsy vaovao hitantsika amin'ny hariva 🤧😌 dia lasa misy fiantraikany amin'ny fahasalamana sy fitomboan'ny Zaza ☺️
✅Raha manana fotoana kosa, Dia tsara foana hoe ianao no mikarakara ny sakafon'ny zanakao 🥰 amin'izay mba hainao tsara hoe inona daholo no tokony ho hanina indray androany, afaka misafidy izay tiany koa Ilay Zaza 😁🥹🥹

🙏 Tsy misy hoe mety sy tsy mety fa anjarantsika ny mijery sy mahita izay mahasoa kokoa an'ilay zanatsika 🥰

Mirary soa 🥹

Niditra nianatra voalohany 🥹🥰 Ohatrany Ahoana ny fihetseham-ponao tamin'ny zanakao nandeha nianatra voalohany ? ☺️Fotoan...
06/09/2025

Niditra nianatra voalohany 🥹🥰
Ohatrany Ahoana ny fihetseham-ponao tamin'ny zanakao nandeha nianatra voalohany ? ☺️
Fotoana anisan'ny mamy indrindra iny 🥹 lehibe Ilay olona Kely 🥰
Nareo koa ve naka sary azy miaraka amin'ny kitapo? 😁😂 Vao miala ao an-trano sy Tonga any am-pianarana 😌
Tena hoe fahatsiarovana be iny 🥰

Mankasitraka anareo rehetra izay nametraka fitokisana taminay indray tamin'ity taona ity ❤️🥰 Mbola mandray commande ihan...
05/09/2025

Mankasitraka anareo rehetra izay nametraka fitokisana taminay indray tamin'ity taona ity ❤️🥰
Mbola mandray commande ihany izahay ho an'izay mbola tsy nahazo 😁😉
Misaotra indrindra amin'ny retour dia amin'ny manaraka indray 🥰

Ho taom-pahombiazana ho an'ny zanatsika indray anie ity taom-pianarana vaovao ity o 🥰🥰
04/09/2025

Ho taom-pahombiazana ho an'ny zanatsika indray anie ity taom-pianarana vaovao ity o 🥰🥰

Efa maromaro ny mpianatra niditra ☺️ Mirary soa ho anareo amin'ny fianarana 🥹❤️❤️
03/09/2025

Efa maromaro ny mpianatra niditra ☺️ Mirary soa ho anareo amin'ny fianarana 🥹❤️❤️

31/08/2025

🙏 Misaotra betsaka anareo izay efa nanao commande sy nanao feed-back o! 🥰

☑ Ho an'izay mbola tsy nahazo etiquettes autocollantes ho an'ny fournitures 📙✏️📐 na mbola hanampy dia mbola mandray commande foana izahay! ❤😍 Apetaka amin'ny cahiers sy crayons de couleurs sns!

☑ Misy izay Dessin Animé tadiavin'ilay zaza rehetra ato amin'ny Im'tsar KIDS! 🥰

✅ Omenao anay fotsiny ny :

- Anaran'ny zanakao
- Ny kilasy misy azy
- Ny Dessin Animé tiany

dia izahay no manamboatra azy ⭐️

✅ Tombony be koa ilay autocollants efa prédécoupés satria mora ampiasaina! ❤

🙏 Mirary fahombiazana ho an'ny harenakelintsika ao! ❤
-------------------------
⏳ Traitement de commande : 2 à 3 jours
📞 0342199904
📌 67 Ha SUD - Axe CENAM (Misy parking)
🛵 Livraison : TANA sy any

Mandona fo ny mahita an'ireto retour alefanareo 🥺😌😌Nareo no isaorana ee.... ❤️Maro no afa-po fa aza misalasala manao com...
26/08/2025

Mandona fo ny mahita an'ireto retour alefanareo 🥺😌😌

Nareo no isaorana ee.... ❤️
Maro no afa-po fa aza misalasala manao commande izay mbola tsy nahazo

Ankino Aminy fa ataony tanteraka 😊Mirary soa ho an'ny zanatsika sy ny ankohonantsika rehetra 🥰❤️
23/08/2025

Ankino Aminy fa ataony tanteraka 😊

Mirary soa ho an'ny zanatsika sy ny ankohonantsika rehetra 🥰❤️

KILALAON-TSAINA 🥳Ndao indray hampiasa saina kely miaraka amin'ny zanatsika e 😁😊😉✅Asaivo jeren'ny zanakao ny sary 😁, ka s...
22/08/2025

KILALAON-TSAINA 🥳

Ndao indray hampiasa saina kely miaraka amin'ny zanatsika e 😁😊😉

✅Asaivo jeren'ny zanakao ny sary 😁, ka soraty eo amin'ny commentaires izay diso 3 voalohany hitanao eo 😊
Ataovy mazava hoe:
1-
2-
3-

✅ Antsoy koa ny namanao hilalao ❤️
Vous avez envoyé

Isan-taona misy an'ilay fitaovana tsy miala ao amin'ny lisitry ny ho vidiana mihitsy 😊😁 Ny anareo koa ve? 😂Na mitombo àr...
21/08/2025

Isan-taona misy an'ilay fitaovana tsy miala ao amin'ny lisitry ny ho vidiana mihitsy 😊😁 Ny anareo koa ve? 😂
Na mitombo àry Ilay Zaza dia maintsy mampiasa an'iny foana 🥰
Inona daholo izay ? 😁

Ho avy indray izao ny fidirana 😁😊Raha misy zavatra tena mampiferon'aina ny Ray aman-dreny dia ny mahita ny zanany mitoma...
20/08/2025

Ho avy indray izao ny fidirana 😁😊
Raha misy zavatra tena mampiferon'aina ny Ray aman-dreny dia ny mahita ny zanany mitomany mandeha mianatra 🥺💔 tena mafy 🤧

Ahoana àry no atao mba tsy hahatonga izany intsony ? 😊

Reto misy torohevitra vitsivitsy dia azonareo ampiana eo amin'ny commentaires ihany koa 😊🥰
✅Omena Teny mamy izy miala ao an-trano 😊
✅ Ataovy izay hahatonga azy ho tia ny fianarany (sekoly, mpiara-mianatra, mpampianatra...) Omeo toky ny amin'izy ireny izy😉
✅ Ampanaovy izay akanjo tiany, goûté tiany , fitaovana izay tiany 😊 (miezaka kely fotsiny MBA hahafa-po azy sy hampahazoto azy amin 'ny voalohany 🥰)
✅ Rehefa avy mianatra dia aza adino ny manontany azy ny tontolo androny 😁🥰 Dokàfy hoe mahafinaritra ny zavatra nataony sy nataon'ny Tany am-pianarana 😉😊
✅ Raha misy zavatra hitarainany dia henoy tsara izy 😊 fa aza tonga dia raisina foana hoe kamo hianatra ⛔😊 henoy izy dia omeo vahaolana ny amin'izay tsy mety aminy ❤️

Izay fa mirary soa ho an'ny zaza antsika rehetra o 😊

Address

VILLA FANAMBINANTSOA
Antananarivo
102

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Im'tsar KIDS posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share