20/06/2026
: Nandray anjara mavitrika ny Minisiteran’ny Fizahantany sy ny Asa Tanana ( )
Tamin’ity 20 jona ity, nandray anjara mavitrika tamin’ny hetsika “Fanadiovana Faobe” ny Minisiteran’ny Fizahantany sy ny Asa Tanana tamin’ny fanadiovana ny manodidina ny ministera eny Tsimbazaza sy ny eny Andavamamba. Niara-nisalahy ireo tompon’andraikitra sy mpiasa mba hanadio sy hanatsara ny fahadiovan’ny tontolo iainana ho fiomanana amin’ny fankalazana ny fetim-pirenena.
Tanjon’ity hetsika ity ny hanentanana ny olom-pirenena rehetra hanana fahazarana hitandro ny fahadiovana eny amin’ny manodidina azy. Amin’ny alalan’izany dia mikendry ny hampiorina toe-tsaina maha-olom-pirenena tompon’andraikitra sy hanomezana tontolo madio sy mendrika ho an’ny rehetra ny ministera, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny faha-26 jona izao.