20/08/2026
20 Aogositra 2017 - 20 Aogositra 2026
Sivy (09) taona katroka anio 20 Aogositra 2026 no niorenany ny orinasa Meva Sanjy.
Mankalaza izany amin'ny fomba tsotra nefa mendrika izahay.
Ny Dera sy ny Laza dia ho an'ANDRIAMANITRA IRERY ihany satria nohon'ny FITANTANANY no nahafahanay Nanangana sy Nampivoatra izany orinasa izany nandritran'ny izay sivy taona izay.
Antitranterinay eto ihany koa ny Fisaorana sy ny Fankasitrahana ireo Raiamandreny nitsodrano, ireo niara-dià taminay na mivantana na ankolaka ary indrindra tamin'ny fotoan-tsarotra nosedrain'ny orinasa.
Ny hambom-po hametraka an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny alalan'ny Sanjy (fitafy) vita Malagasy no nanosika anay tany ampiandohana. Ary Ankehitriny, ampanetrehantena no afahanay manambara fa efa manomboka hahitam-bokany izany, raha mibanjina ireo fiaraha miasa isan-karazany izay tratra hatreto.
Amin'ny maha Malagasy sady amin'ny maha Mpandraharaha anay no iarahantsika mahatsapa fa manana Adidy sy Andraikitra lehibe isika satria Tanindrazana, Taninjanaka ary Taninjafy iombonana ity Madagasikara malalantsika ity.
Fisaorana manokana no atolotray ianareo mpanjifa satria noho ianareo dia afaka nitondra ny anjara biriky isika nentina nifanome tanana araka izay azo natao tamin'ny ireo mpiray tanindrazana.
Mirary dia mirary izahay ny hiroboroboan'ny firaisantsika Hina hatrany satria "ny tao trano", Tompoko "tsy vitan'ny irery", ary, "ny hevitry ny maro no mahataka-davitra".
Miroso hatrany ny Dià. Miara Mino isika, miara Mahatoky ihany koa fa ny hambompompirenena izay miredareda ato amintsika dia tsy ho faty na oviana na oviana. Mirary ny Meva (Soa) ho antsika rehetra tsy ankanavaka.
Meva Sanjy satria Meva ny Sanjin’ny Malagasy
www.mevasanjy.com