02/11/2023
Salama e😀
Betsaka no manontany momba ny fanadiovana ny mug simple dia aleo 'zay no resahina kely androany.
Tsotra kely ny manadio azy.
✨Sasainy amin'ny rano mafana sy savony fotsiny. "Eponge douce" na "chiffon non abrasif" no ampiasaina mba tsy ho kika ilay mug.
✨Raha misy tasy sarotsarotra miala dia alona kely ao anaty rano mafana misy karbonetra. Avy eo kosehina amin'ny borosy nify. Kobanina tsara hialan'ny karbonetra.
Afaka avela ho mainan'ny rivotra nefa afaka fafana amin'ny chiffon madio tsara ihany koa. Safidina tsara le chiffon ampiasaina mba tsy ho kika ilay mug.